• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © France Transactions
Image
Vaovao

Fiovan’ny toetr’andro : Arafitra ny fandaharan’asa mahomby hahazoana tohana ara-bola

24/04/2024 14:04 © Moov.Mg

Arafitra mandritra ny roa andro ny fandaharan’asa mahomby ahafahan’i Madagasikara misitraka ny Famatsiam-bola Maitso ho an’ny fiovan’ny toetr’andro na ny « Fonds Vert pour le Climat ».

Firenena marefo

Ny Famatsiam-bola Maitso ho an’ny fiovan’ny toetr’andro (GCF) dia famatsiam-bola natao ho an’ireo asa rehetra mahakasika ny fanalefahana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Rafitra iray natsangana teo anivon’ny ny fihaonana an-tampon'ny Firenena Mikambana momba ny fiovan'ny toetr'andro (COP) tamin’ny 2015 izy io. Isan’ireo Firenena misitraka izany famatsiam-bola izany i Madagasikara, saingy mbola kely dia kely ny vola azontsika raha ampitahaina amin’ireo fiantraika ratsy mianjady amintsika. Firenena voasokajy ho marefo indrindra, manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro mantsy i Madagasikara. Maivana ihany anefa ny andraikitsika manoloana ireo antony nahatonga izany fiovan’ny toetr’andro izany, raha mitaha amin’ny an’ireo firenena tena mandroso. Araka izany, rariny isika raha misitraka ny famatsiam-bola maitso, hoy Ravelomanana Lovakanto, mpandrindra nasionalin’ny Birao Nasionaly ho an’ny Fiovan’ny toetrandro sy ny rafitra fampihenana ny entona avy amin'ny fandripahana ala sy ny fahasimban'ny ala (BNCC-REDD+) eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.

Fanohanana ny eny ifotony

Efa nisy ny tetikasa nahazoantsika fanampiana avy amin’ny GCF, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpandrindra ny BNCC-REDD+. Isan’izany ny tetikasa tanterahina any amin’ny Faritra atsinanan’i Madagasikara, izay antsoina hoe : « paysage de l’est de Madagascar ». Miompana amin’ny fiarovana ny ala any atsinanana ny tetikasa, mba hiarovana izany tsy ho potika ka hahafahany mitroka ny entona karbônina, ary hahafahan’izao tontolo izao manalefaka ny fiovan’ny toetr’andro. Isan’ireo efa misitraka ny Famatsiam-bola Maitso ihany koa ireo mpamboly eny ifotony. Mifandrohy akaiky mantsy ny fiainan’ny mponina eny ifotony sy ny ala, ka rehefa ampiana izy ireo dia tsy manimba ala intsony fa izy indray aza no lasa miaro. Etsy an-daniny, laharam-pahamehana ao anatin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny ady amin’ny fahantrana. Rehefa marefo mantsy ny mponina dia vao mainka mianjady mafy aminy kokoa ny fiovan’ny toetr’andro. Fa raha ampiana izy amin’ny antom-pivelomany, dia moramora aminy kokoa ny miatrika ny loza ateraky ny fiovan’ny toetr’andro.

Tetikasa tsara kalitao

Tsy afaka ny hisitraka ny famatsiambola ilaina anefa i Madagasikara, raha tsy mipetrapetraka tsara ny mombamomba ireo tetikasa ilàna fanohanana ara-bola, antony anatanterahana izao atrikasa izao, izay tarihin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy. Manohana ara-teknika kosa ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO). Araka ny nambaran’ny solontenan’ny FAO eto Madagasikara, Mbuli Charles Boliko, dia mitondra ireo fahalalana ara-teknika sy ny fanohanana ara-tekanikany, avy amin’ireo traikefa iraisam-pirenena ananany, ny FAO. Tanjona ny hananan’i Madagasikara fandaharan’asa tsara kalitao, azon’ireo mpamatsy vola itokisana, ka ho ekeny sy hovatsiany ara-bola. Ny mampiavaka ity GCF ity moa, araka ny fanazavan’ny mpandrindra nasiônalin’ny BNCC-REDD+, dia ny firenena no mamaritra ny vola tiany ho azo. Ny tambiny kosa anefa dia ny fahaizana manangana ny tetikasa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo