• Cours de change
  • 4741.75 AR
  • |
  • $4416.55 AR
Copyright Image : © Actu Mdg
Image
Vaovao

Hotely tao Ambatondrazaka : Nisy ben’ny tanàna niala aina

15/03/2023 17:03 © Midi Madagasikara

Niaraka tamin’ny olona izy no niditra tao amin’ity hôtely iray tao an-tampon-tanan’Ambatondrazaka ity. Niantso vonjy avy hatrany anefa ity farany, fa fotoana vitsy taorian’ny nidiran’izy ireo tao no tsy nihetsika intsony ity olom-boafidy ity.

Trangam-piaraha-monina dia tsy dia fahita loatra no niseho tao an-drenivohitr’Alaotra tao, omaly. Olom-boafidy iray avy ao Anororo, distrikan’Amparafaravola no nindaosin’ny fahafatesana tampoka tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tao an-toerana. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia voalaza fa matetika izy, amin’ny maha-tompon’andraikitry ny tanana ny tenany sy maha mpanao pôlitika ny lehilahy no mandeha miakatra any Ambatondrazaka, mandeha mamonjy fivoriana. Tamin’ity indray mitoraka dia indrisy fa vatana mangatsiaka sisa no tafaverina any aminy.

Ny zava-nisy

Omaly maraina izy ireo, ilay olom-boafidy niaraka tamin’ny olona iray no niditra tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity. Tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo tany ho any no niantso vonjy tampoka tamin’ny tompon’andraikitr’ilay hôtely ilay olona niaraka taminy fa tsy nahatsiaro tena « ingahy maire ». Teo no ho eo ihany moa dia natao ny vonjy aina ary nentina nivantana nihazo ny toeram-pitsaboana tao an-toerana ity olom-boafidy ity. Indrisy anefa, raha ny filazan’ireo mpitsabo tao an-toerana dia efa tsy namana intsony ny lehilahy ary efa namoy ny ainy efa fotoana elaela ihany.

Amin’ny toe-javatra tahak’izao moa, indrindra fa olona manana ny maha-izy azy ity namoy ny ainy dia tsy maintsy misy foana ny fanokafana ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana. « Hatreto aloha, tsy mbola fantatra mazava izay tena antony nahafaty azy, hoy ny fanazavana azo avy tamina tompon’andraikitra iray tany an-toerana, omaly tolakandro. Mbola eo am-panaovana « autopsie » ny razana mihitsy ireo mpitsabo. Raha ny hoe vono olona, angamba tsy azo heverina hoe izay loatra, kanefa na izany na izany dia tsy maintsy misy foana ny famotorana atao ». Araka ny fantatra omaly hatrany dia notazomin’ireo mpitandro filaminana, ho amin’ny filàn’izay famotorana izay ilay olona voalaza fa niaraka taminy tao amin’io trano fandraisam-bahiny io.

Vetivety dia niparitaka moa ny fahavoazana nahazo ity mpanao pôlitika mpanohana ny fitondrana ity ary efa maro tamin’ireo namany sy ireo tompon’andraikitra ary manam-pahefana isan-tokony tany an-toerana no nitondra ny tena fampiononana sy fankaherezana ireo fianakaviana nilaozan’itompokolahy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo