• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fahasalamana : Mpilatsaka an-tsitrapo amerikana miisa 21 nahavita fianianana

05/05/2023 10:27 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana Amerikana sy Malagasy. Mitombo isa indray ireo mpikambana eo anivon'ny Peace Corps, na ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikana, izay hitondra ny anjara birikiny amin'ny fampandrosoana ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara.

Tanora mahafehy ny teny Malagasy

Nanaraka an-tsakany sy an-davany fampiofanana matotra ireto mpilatsaka an-tsitrapo vaovao ireto. Nifantohana manokana tanatin'izany ny fianarana teny malagasy, izay marihana fa teratany Malagasy mihitsy no nampianatra azy ireo. Nianatra mikasika ny kolontsaina Malagasy ihany koa izy ireo nandritra ny 12 herinandro. Niara-niaina tamin'ny fianakaviana Malagasy tany Mantasoa izy ireo nandritra ny fiofanana. Vonona ny hiasa sy hirotsaka ifotony any amin'ny faritra izay anendrena azy ireo ny tsirairay. Tsy hanana olana ihany koa izy ireo amin'ny fifandraisana amin'ny mponina eto an-toerana satria azo lazaina fa mahafehy tsara ny teny malagasy.
Hanampy ny CSB amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny Zaza, ny fahasalamana ara-pananahan'ny tanora, ary ny fisitrahana rano fisotro madio. Nanotrona ny lanonana androany ny ministry ny fahasalamam-bahoaka, Pr Zely Andriamanantany.

Tanora vita fiomanana

Ny volana martsa teo no efa nandray anjara tamina hetsika fifanakalozana sy fifampizarana traikefa ireto mpilatsaka an-tsitrapo amerikana mandray ny asany ireto. Tsy inona izany fa ny Partners in development fair”. Nisy ny fihaonana tamin'ireo solontenam-panjakana sy fikambanana tsy miankina eto an-toerana sy avy any ivelany. Izany no natao dia mba hahamora ny asan'ireo Peace Corps.
Tsiahivina fa ny taona 1993 moa no nisy "Peace Corps" tonga voalohany teto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo