• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © I-Bc
Image
Vaovao

Raissa Razaivola : Fito taona sazy an-terivozona

05/05/2023 12:06 © Midi Madagasikara

Nivoaka omaly ny didim-pitsaràna mahakasika an’i Raissa Razaivola. Sazy fito taona asa an-terivozona no azony noho ny fikasàna hamono olona.

Tabataba be nandritra ny fivoahany ny fitsaràna ary tsy nanaiky izy raha tsy tafitany ny hafatra tao an-tsainy : « izao no mahazo ahy rehefa tsy nanaiky noterena fa i Fanirisoa Ernaivo no nampiteny ahy izay nolazaiko hatrizay (…) tsy hanaiky hatramin’ny farany aho ».

Raha hiverenana dia nisy hatrany ny horonam-peo niparitaka ary misy feony, heverina ho nandritra ny fitazomana am-ponja azy no nisy naka an-tsokosoko izany. Olona maro manam-pahefana ambony eo anivon’ny fitsaràna no notononiny anarana ho nangataka vola taminy ho setrin’ny famoahana azy. Tsy raikitra anefa izany, raha araka io horonam-peo io, satria nidangana loatra ny notakiana. Na izany aza dia efa nisy vola niparitaka ihany, raha araka ny feon’i Raissa izay niparitaka. Isan’ny horonam-peo hafa koa izay mbola hitan’ny mpampiasa tambajotra sosialy rehetra ny fitanisan’ity ramatoa ity ny sasany izay mpanao fanondrànana volamena eto Madagasikara. Hatreto aloha tsy nisy tohiny avokoa izany na dia nanizingizina mafy aza i Raissa fa manana porofo ny amin’ny zavatra noteneniny. Isan’ny tokony hotsiahivina fa mbola ity raharaha Raissa ity koa no anisan’ny nanesorana ny minisitry ny fitsaràna teo aloha tamin’ny toerany ary nialany teto an-tanindrazana mihitsy aza noho ny tsindry maro. Io indray dia mahakasika kolikoly avo lenta izay mbola niparitaka koa ny horonam-peo mahakasika izany avy eo.

Ny volana febrory 2022 i Raissa no namoahana didy fampisamborana. Tsy nitsoaka anefa izy fa niteraka ary nanatona ny polisy raha vao vita izany. Tsy ela taorian’izay no nidoboka am-ponja ary nohenoina teny amin’ny karazam-pampanoavana, tao ny misahana ny kolikoly ary tao koa ny tetsy Anosy. Ny raharaha fikasàna hamono olona no nandeha omaly ary tsy tonga tao an-toerana ny mpitory izay efa nanatsoaka ny fitoriany rahateo, raha araka ny fanazavan’ny mpisolovava ny voampanga. Tsy tonga koa ny vavolombelona. Izany rehetra izany, hoy ny mpisolovava, dia mbola manamafy hatrany fa antsonjay no mahazo ny olona arovany noho ny famoahany loharanom-baovao maro momba ny raharaha maloto eto amin’ny firenena.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo