• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Halatra zazakely : Olona 4 voasambotra. Dokotera ny iray.

09/05/2023 04:47 © Moov.Mg

Tsy mifidy fomba ahazoam-bola intsony ny sasantsasany amintsika Malagasy. Misy tokoa ireo mihevitra fa "entam-barotra" ny zazakely ka azo amidy. Nisy fianakaviana kely (mpivady sy renin'ny ankilany) voasambotra noho ny fikasana hamarotra zaza menavava miisa roa. Voarohirohy ihany koa ny mpitsabo iray.

Fivarotan-jaza

Tsy ny harem-pirenena ihany no lasibatry ny mpanondrana an-tsokosoko. Misy ihany koa ireo misehatra eo amin'ny fivarotana olona any ivelany. Zaza menavava miisa 02 no nalaina mpivady ireto ary saika ho amidiny amina vazaha nipetraka any ampitan-dranomasina. 2 800 000ar no saika hangalan'ilay vazaha an'ireo zaza ireo. Nanao taratasy sandoka mahakasika ilay zaza izy ireo niaraka tamin'ny rafozam-baviny ary nanatona dokotera mihitsy hahavitana izany . Tsy vitan'izy ireo anefa ny nandefa ireo zaza tany an-dafy ka notaizainy tao an-trano. 11 volana aty aoriana , nandefa "Publication" tao anaty tambazotran-tserasera Facebook ireto olon-dratsy milaza fa manana zaza ho an'izay olona vonona hanangan-jaza .Narahan'ny Polisy ny fizotran'ity "publication" ity ka tra-tehaka izy mivady sy ny rafozam-baviny. Nosamborina ihany koa ilay dokotera nanao ny taratasy hosoka .
Mitohy ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana tamin'ny fomba nahazoan'izy ireo ilay zaza, indrindra mba ahitana izay tena ray aman-drenin'izy ireo.

Fahantrana sa hakamoana ?

Mazàna dia mahazo tsiny hatrany ireo mpitondra fanjakana noho ny tsy fisian'ny asa eto Madagasikara. Tsy lavina fa misy ny andraikitra tokony raisin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny mba hampisokatra kokoa ny tolotra eo amin'ny sehatry ny asa. Na izany aza nefa, anjaran'ny olom-pirenena tsirairay no mikaroka izay mahasoa azy. Azo atao tsara ny mitady ny asa sahaza ny fahalalana norantovina. Entanina ireo vao nahavita fianarana mba hazoto amin'ny fizaran'asa, mba hiakaran'ny lentan'ny fahaiza-manao. Na dia tsy nahavita fianarana kosa aza, azo trandrahina tsara ny talenta, ahafahana manangana orinasa madinika : fandraharahana, fanamboarana haingon-trano, fandrafetana hazo, zaitra, sns. Matetika isika Malagasy no menatra rehefa tsy miasa amina orinasa, hany ka mandevin-talenta. Tsy vitsy ihany koa ireo kamo tsotr'izao hiezaka sy hiasa mafy. Misy aza moa ireo efa voaray miasa mihitsy saingy mametra-pialana afaka andro vitsivitsy noho ny hamafin'ny fanarahana ny ora apetraka sy ny hamaroan'ny asa atao. Raha te ho tafita nefa dia mila mazoto sy misedra sarotra isan-karazany. Ny mampalahelo dia maro ireo manana hevitra tsara saingy amin'ny asa ratsy, indrindra amin'ny halatra sy ny soloky.
Adidy iombonana ny fampandrosoana ny firenena, ka miainga amin'ny ezaky ny tsirairay izany. Entanina ihany koa ny besinimaro hiara-hientana amin'ny famongorana ny asa ratsy rehetra. Raha misy tranga mampiahiahy, toy ny vehivavy na mpivady izay mitaiza zaza tampoka nefa toa tsy nitondra vohoka akory, tsara ny manantona ny mpitandro ny filaminana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo