• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Antsiranana : Tokantrano 3 600 hisitraka herinaratra

13/08/2023 19:50 © Moov.Mg

Tafapetraka ao Ankorikihely, Ramena Antsiranana ankehitriny ny "parc solaire" hamatsy herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro ho an’Antsiranana. Manana tanjaka 2449 KwC ity tobim-pamokarana ity.

Ady amin'ny "délestage"

Mbola makahasika faritra maro eto Madagasikara ny "délestage". Mampitaraina olon-tsotra sy orinasa maro izany satria sady manelingelina ny fiainana andavan'andro no manapaka ny asa fivelomana.
Ho an'ny ao Antsiranana manokana, hihena ny fahatapahan-jiro. Hihena hatrany amin’ny 50 isan-jato ihany koa ny filàna solika ho an'ny orinasa Jirama any an-toerana.
Fototra ihany izao apetraka izao hoy ny Filoha Andry Rajoelina, nanao fanamby ny Fitondram-panjakana fa hametraka "parcs solaires" manerana ny distrika 38 mandrapahatongan’ny faran’ny taona. Izany no atao dia ny mba tsy hampiasana solika intsony ary indrindra indrindra mba hahaleo tena sy hahafoana ny fatiantoka goavana eo anivon’ny Jirama. Lany volabe noho ny fanofana groupe sy fividianana solika lavareny mantsy io orinasam-panjakana io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo