• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Dcp
Image
Vaovao

Vidim-bary : Mora kokoa ny vary vokarina eto an-toerana

13/08/2023 20:05 © Moov.Mg

Ny vary nafarana no lafo kokoa noho ny vary vokarina eto an-toerana. Izany no tsikaritra eny an-tsena, eto Antananarivo sy ny manodidina, sady voamarina tamin'ny fidinana ifotony nataon'ny ekipan'ny ministeran'ny varotra tamin'ity herinandro ity.

Fiakaran'ny vidim-bary eo amin'ny tsena iraisam-pirenena

Miakatra ny vidin'ny vary eo anivon'ny tsena iraisam-pirenena. I Madagasikara rahateo moa dia efa nampidina ny fatran'ny vary afarana. Miha-kely araka izany ny vary tonga eto amin'ny firenena. Izany antony roa izany no mahatonga ny fiakaran'ny vidin'ny vary nafarana. Tsy inona moa izany fa ireo vary fotsy, lazaina fa "riz de luxe" sy ny vary "stock".
Hatreto aloha, na miakatra aza ny vidim-bary dia tsy mihena ny fanjifana izany, araka ny nambaran'ireo mpivarotra eny amin'ireo tsena lehibe eto Antananarivo : Analakely, Anosibe, Ivandry, sns. Mbola ireo vary nafarana mantsy no tena ampiasain'ireo mpanao hotely, indrindra moa fa amin'izao vanim-potoan'ny fialan-tsasatra izao.

Fampiakarana ny lentan'ny vary vokarina eto an-toerana

Azo lazaina fa voatazona ny vidin'ireo vary vokarina eto an-toerana. Raha 3000 ariary eo ho eo ny vary avy any ivelany, ny vary avy eto an-toerana kosa dia 2400 hatramin'ny 2800 ariary.
Ho an'ny ankamaroan'ireo tokantrano tsotsotra, mifantoka kokoa amin'ny vary avy eto an-toerana izy ireo noho ny fitsitsiana. Tsy azo atao tsinontsinona tokoa mantsy izany elanelana 200 hatramin'ny 600 ariary izany. Azo lazaina fa tombony lehibe ho an'ireo mpamokatra sy mpamarotra vary eto an-toerana ny fiakaran'ny vidim-bary avy any ivelany. Mamporisika antsika Malagasy hanjifa ireo vokarin'ireo mpiray tanindrazana izany. Tsiahivina fa anisan'ny imasoan'ireo tompon'andraikitra isan-tokony, miaraka amin'ireo tantsaha, ny mba hampahaleo tena ara-tsakafo an'i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo