• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 6 hatramin'ny 13 aogositra 2023

13/08/2023 22:02 © Moov.Mg

Ireo vaovao mikasika ny Lalaon'ny Nosy no tena malaza tato ho ato. Eo ho eo amin'ny 10 andro mantsy sisa dia higadona ilay fotoana nandrasana hatry ny ela. Mafana hatrany nefa ny toe-draharaha politika noho ny fanomanana ny fifidianana. Tsy adino ireo vaovao sosialy, ekonomika sy koltoraly isan-karazany.

JIOI 2023 : Tonga eto Madagasikara ny afon'ny Lalaon'ny Nosy

Noraisina tao Antsiranana ny afon'ny Lalaon'ny Nosy andiany faha-11. Ny atleta malagasy, Sydonie Fiadanantsoa, izay vao nahazo medaly volamena tamin'ny lalaon'ny Frankofonia, no nitondra izany afo izany namakivaky ny kianja manarapenitra Antsiranana.

Hitety ny renivohi-paritany rehetra eto Madagasikara izany afo izany vao ho tonga eto Antananarivo. Tao Mahajanga indray ny afo ny 13 aogositra.
Toy izao kosa ny fandaharam-potoana manaraka :
Toliara : 18 Aogositra
Fianarantsoa : 19 Aogositra
Toamasina : 20 Aogositra
Antananarivo : 23 Aogositra


Copyright Image : © Actus Mada

JIOI 2023 : Nahazo "tribune latérale" ny Elgeco Plus

Notokanana ny "tribune latérale" eo anivon'ny kianja Elgeco Plus By-Pass. Ity toerana ity moa no handray ny taranja baolina kitra mandritra ny lalaon'ny Nosy 2023. Tsara ny manamarika fa efa vonona tanteraka ny kianja handray ny fifaninanana. Misy moa ny "vestiaires" manara-penitra izay handray ireo mpilalao mialoha sy aorian'ny fifaninanana : isoloana akanjo, idiovana sy akana aina.
Raha ny fiomanan'ireo mpilalao no resahina, efa azo lazaina fa vonona avokoa izy ireo. Mizotra tsara ny fanazaran-tena amin'ny taranja rehetra. Efa samy nanome tohana ihany koa ireo ministera mpiahy tsirairay : akanjo, fitaovana ilaina amin'ny fanazaran-tena, fanafody, sns.


Copyright Image : © PRM

Rwanda : Heni-boninahitra ny firenena Malagasy

Matotra sy mafy orina tokoa ny fifandraisana eo amin'i Madagasikara sy Rwanda ary ny fifankatiavana eo amin'ny Filoha roa tonta. Nanamafy ny fanohanany ny Filoha Andry Rajoelina ny Filoha Kagame nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nambarany fa mpiara-miombon’antoka sy eo anilan'i Madagasikara i Rwanda eo amin'ireo asa fampandrosoana ny firenena malagasy.
Nisy ny fiaraha-misakafo ara-panjakana nokarakarain'ny izay nanasan'ny Filoha Paul Kagame ny delegasiona avy aty Madagasikara, tao amin'ny Kigali Convention Center.


Copyright Image : © PRM

Mamy Ravatomanga : Manohana an'i Andry Rajoelina

Nandeha ny resaka fa ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023 i Mamy Ravatomanga. Nivahiny tamin'ny fahitalavitra tsy miankina iray nefa ny tenany ka nanambara fa tsy hilatsaka ho fidiana velively. Hijanona amin'ny maha-mpandraharaha azy i Mamy Ravatomanga. Nampahatsiahiviny kosa nefa fa mbola manohana 100% ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny tenany.


Copyright Image : © Viva

Marc Ravalomanana : Tratran'ny Piratage ny kaontiny Facebook

Nangingina ny teo anivon'ny antoko TIM tato ho ato. Nisy nanao "piratage" mantsy ny kaonty Facebook "Marc Ravalomanana Ofisialy" ka tsy afaka mizara vaovao intsony. Lasa horonan-tsary mamoafady sisa no tazana ao anatin'izany kaonty izany. Ny 30 jolay lasa teo no nisy "publication" nataon'ny tena tompon'ny pejy. Ahiana ho tetik'ady politika no nahatonga izany, indrindra amin'izao vanim-potoana fanomanana ny fifidianana izao. Sarotra tokoa mantsy ny mamerina izany pejy izany amin'ny laoniny satria na ilay namorona na ireo "admin" dia tsy afaka manao na inona na inona. Araka ny vaovao farany, nitsidika an'Arivonimamo ny kandidà Marc Ravalomanana.
Pejy Vonjimaika : Marc Ravalomanana - Kandida Ofisialy


Copyright Image : © Marc Ravalomanana

Hery Rajaonarimampianina : Nisy ny fanakanana azy teny an-dalambe

Niharan'ny fanakanan'ny mpitandro ny filamina i Hery Rajaonarimampianina tamin'ny fitetezam-paritra nataony. Tontosa ihany nefa ireo hetsika rehetra nataony.
Tamin'iny herinandro lasa iny dia tao Antsirabe, Vohémar ary Ambilobe ny tenany. Nampiseho fahavononana i Hery Rajaonarimampianina hamaha ny olana ara-tsosialin'ny mponina tamin'ny faritra nolalovany. "Paré ianareo, ary izaho koa efa paré miaraka aminareo", hoy izy tamin'ny kabariny sy tao amin'ny pejiny.


Copyright Image : © HR2023

Fifidianana : Hanolotra 500 000 dolara i Etazonia

Tsy tokony hisy ahiana intsony ny amin'ny tetibola iatrehana ny fifidiana filoham-pirenena 2023. Mitohy hatrany ny fahazoana fanohanana avy amin'ireo firenena miara-miasa amin'i Madagasikara.
Handrotsaka 500 000 dolara ao amin'ny Basket Fund i Etazonia. Mamelom-panantenana ny CENI ihany koa ny handraisana ny "caution" avy amin'ireo kandida hirotsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena.


Copyright Image : © CENI

Antsiranana : Tokantrano 3 600 hisitraka herinaratra

Tafapetraka ao Ankorikihely, Ramena Antsiranana ankehitriny ny "parc solaire" hamatsy herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro ho an’Antsiranana. Manana tanjaka 2449 KwC ity tobim-pamokarana ity.
Ho an'ny ao Antsiranana manokana, hihena ny fahatapahan-jiro. Hihena hatrany amin’ny 50 isan-jato ihany koa ny filàna solika ho an'ny orinasa Jirama any an-toerana.


Copyright Image : © PRM

Toamasina : Roalahy lasan'ny Ranomasina tao Tahity Kely

Tovolahy 16 sy 21 taona no lasan' ny ranomasina raha nilalao rano teny amin'ny Bord Pangalane ny folakandron'ny zoma 11 aogositra. Samy mpianatry ny oniversiten'ny Barikadimy izy roalahy. Ny marainan'ny Asabotsy 12 aogositra no hita ny vatana mangatsiakan'ny iray tamin'izy roalahy, dia i Pacifique izany. Ilay tovolahy faharoa kosa, i Grâce, dia mbola karohina hatreto.


Copyright Image : © Commune Urbaine Toamasina

Fanjifana : Miaka-bidy ny vary nafarana

Mahatratra hatramin'ny 3 000 ariary ny kilaon'ny vary nafarana eny an-tsena. Mbola 2 900 ariary kosa ny lafo indrindra amin'ny vary vokarina eto an-toerana. Nahitana fiakarana tokoa ny vary avy any ivelany noho ny fiakaran'ny vidiny eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Somary ifampitadiavana izany eny an-tsena satria efa nihena ny fatra afaran'i Madagasikara.
Fotoana indrindra izao anjifana ny vokatra avy eto an-toerana. Manomboka amin'ny 2 400 ariary mantsy dia efa mahazo ireo "vary sémences" mora andrahoana sady misy otrik'aina mahasalama. Sady mitsitsy ny vola eo am-pelatanana no manohana ireo mpamokatra eto Madagasikara.


Copyright Image : © DCP

Ejeda : Karohina fatratra ireo nanapa-doha zaza 5 taona

Nanomboka ny marainan'ny alahady 13 aogositra teo no natao savahao ireo tsy matahotody nanapa-doha an'i Manjarisoa, zazalahy tokony ho 5 taona eo ho eo. Tao amin'ny Fokontany Ehindy, Kaominina ambanivohitr'i Ejeda,Distrika Ampanihy andrefana no nitrangan'ity habibiana ity.
Tsy nivoaka ny reniranon'i LINTA ny dian'ireo nahavanon-doza rehefa natao ny fanarahana azy ireo. Mbola mitohy ny fikarohana amin'izao fotoana izao, ary hisy ihany koa ny fidinana hatao amin'ireo toerana ahiahina.


Copyright Image : © MDN

Japon : 9,4 miliara ariary ho an’i Madagasikara

Tontosa ny 11 Aogositra ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny firenena Japoney sy Malagasy. Hanolotra tohana ara-bola mitentina 300 tapitrisa yens, na 9,4 miliara ariary ho an’i Madagasikara ny firenena Japoney. Tanjona amin’izany ny hanatsarana ireo hopitalim-panjakana fa ihany koa ny fanatsarana ireo fitaovana ampiasaina ao amin’izany.


Copyright Image : © MAE

Andraharo : Mpitondra taxi-moto matin'ny "balle perdue"

Lehilahy iray 31 taona, mpitondra taxi-moto, no namoy ny ainy teny Andraharo, ivelan'ny faritry ny Galaxy. Ny asabotsy 12 aogositra tamin'ny 8 ora alina teo ho eo no nitrangan'ny loza. Roalahy nitaingina moto, saika hanafika cashpoint, no nahatifitra azy tsy nahy. Namela mananontena sy kamboty roa ny lehilahy. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany.


Copyright Image : © Mickael

Festival WAKAWAKA : Naharitra efatra andro ny fety sy ny korana tao Sambava

Anisan’ny hetsika ara-kolotoraly nahasarika ny maro ny Festival WAKAWAKA izay notontosaina tany Sambava tamin’iny herinandro iny.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny Alakamisy 10 Aogositra tamin’ny alàlan’ny Carnaval ny lanona. Tonga maro nandray anjara tamin’ny diabe ireo fikambanana isan-tsokajiny sy ireo orinasa ao an-toerana ary ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina Renivohitra Sambava.
Mpanakanto vahiny sy eto an-toerana toa an’i Big MJ, Black Nadia, Rim-Ka sy ny maro hafa ihany koa no nanafana ny lanona nandritra io efatra andro io. Nisy ihany koa ny hetsika ara-kolotoraly toa ny fifidianana ny Miss WAKAWAKA, izay nahazoan’i Kasina Michelina ny toerana voalohany. Tsy adino ny hetsika ara-panatanjahantena maro samihafa toa ny semi-marathon sy ny basketball.
Aoarian’izao hetsika izao dia tanjon’ireo mpikarakara ny Festival Wakawaka ny hananganana hopitaly fiterahana, na Maternité vaovao ho an’ny tanànan’i Sambava.


Copyright Image : © ADN Telma

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo