• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Minisiteran’ny Asavaventy : Matin’ny lozam-pifamiovoizana teny amin’ny RN7 ny talem-paritra Analamanga

14/08/2023 09:09 © Midi Madagasikara

Misaona ny Minisiteran’ny Asavaventy. Namoiny ainy omaly vokatry ny lozam-pifamoivoizana nianjady taminy teny amin’ny lalam-pirenena faha-7 (RN7) ny talem-paritry ny Asavaventy Analamanga, Andriamiharisoa Miora Nantenaina.

Loza zay nitranga omaly tokony tamin’ny 11 ora antoandro teo amin’ny toerana antsoina hoe Antsira, fokontany Antsoatany, 15 kilometatra avarat’Antsirabe, faritra Vakinanankaratra. Raha araka ny angom-baovao dia ireny fiara tsy matahodalana Toyota Land Cruiser ireny no netiny tamin’io fotoana io ka olona efatra no tao anatiny, ka isan’izany ny vady andefomandrin’ity olom-panjakana ity. Nivadibadika ilay fiara rehefa nipoaka tampoka ny kodiarana iray ka nandritra izany no tafapitika tety ivelany ilay ramatoa ka maty tsy tra-drano. Ilay tale kosa dia tafahitsoka tao anaty fiara ka voatery tsy maintsy nosokirina vao tafavoaka. Ireo roa hafa kosa moa dia tafavoaka soa aman-tsara ihany saingy naratra mafy ka tsy maintsy nalefa haingana namonjy hôpitaly.

Ny fanazavana azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena no hafantarana fa avy aty Antananarivo handeha any Toliara, hamonjy fitokanana ny lalam-pirenena faha-9 hatao ny 17 aogositra ho avy izao ny talem-paritry ny Asa Vaventy Analamanga, Andriamiharisoa Miora Nantenaina sy ireo namany no tra-doza, androany. Marihina moa fa isan’ny ampahan-dalana mbola ahitana fahapotehana sy lavadavaka iny hiditra an’Antsirabe iny ka mety ho isan’ny niteraka izao loza mahatsiravina namoizana ain’olona roa be izao. Izahay eto amin’ny gazety dia maneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’izy mivady namoy ny ainy sy ny minisiteran’ny Asavaventy manontolo.

Nisesy ny loza

Andro najombona tokoa no azo ilazana ny omaly teny ami’iny RN7 iny. Fiara fitateram-bahoka, na taxi-brousse, hihazo an’i Tolagnaro no voalaza fa niharan-doza ka nivarina tany anaty rano teo amin’ny tanàna atao hoe Iboaka, kaominina Alakamisy Ambohimaha. Raha araka ny fanampim-baovao dia fahatapahana hisatra no nitarika ity lozam-pifamoivoizana ity. Nisy iray namoy ny ainy tamin’ireo mpandeha ary betsaka ny naratra izay notaterina teny amin’ny hopitaly avy hatrany.

Misesy ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena ary mihodina hatrany eo amin’ny haratsian’ny làlana sy tsy fahatomombanana ara-teknikan’ny fiara no antony. Na izany aza anefa dia misy ihany ireo izay misetrasetra manararaotra mandeha mafy rehefa leon’ny fitohanana lavareny eny an-tanan-dehibe. Ny lalam-pirenena fahafito no isan’ny betsaka sakan’ny mpitandro ny filaminana indrindra, satria tonga hatrany amin’ny 57 isa izany mandra-pahatonga any Toliara. Misy hatrany araka izany ny fisavana sy ny fitsirihana atao. Toa tsy manakana loatra ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana anefa izany fa lasa mampahazo vahana ny kolikoly fotsiny. Marobe ny fiara mifamezivezy amin’izao fotoanan’ny fialan-tsasatra izao ary lasa mampanahy hatrany ny fampiasana lalam-pirenena noho ny lozam-pifamoivoizana misesisesy. Izany aza dia mbola ampian’ny jiolahy mpanakan-dàlana sy mpitora-bato koa indraindray, hany ka tsy misy intsony ny mandeha alina. Dia lasa mifanesika mandeha antoandro avokoa ny fiara ankehitriny ary lasa miasa tsy an-kijanona ny lalam-pirenena amin’ny antoandro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo