• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Fiderana Miah
Image
Vaovao

Romy Andrianarisoa : Voaroaka tao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika !

14/08/2023 16:54 © Moov.Mg

Nesorina tsy ho Talen'ny Kabinetran'ny Fiadidiana ny Repoblika intsony i Romy Andrianarisoa, araka ny fanambarana an-tsoratra navoakan’ny Fiadidiana ny Repoblika.

Afera maizina

Voapanga ho nitaky tsolotra 225.000 Livres Sterling na 1.300.000.000Ar sy anjara (actions) 5% tamin'ny orinasa Gemfields, mpitrandraka harena an-kibon'ny tany i Romy Andrianarisoa sy ny namany ka nosamborina. Resaka kolikoly avo lenta araka izany no anton'ny fanenjehana.

Ny 8 septambra ho avy izao no hiakatra fitsarana any ny talen'ny kabinetran'ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha sy Phillipe Tabudeau, ilay teratany vahiny mpiara-miasa akaiky aminy. Sazy 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy no mety ho azon'izy ireo.


Copyright Image : © Financial Times

Fandroahana tsy misy hatakandro

Efa ny alakamisy lasa teo no voasambotra i Romy Randrianarisoa sy ilay mpiara-miasa aminy. Ny alahady hariva teo (omaly) nefa vao nisy nahatsikaritra ilay lahatsoratra an-gazety tany ivelany ka nanaparitaka ny vaovao teto an-toerana. Nandritra izay andro vitsivitsy izay, nangina tanteraka ny teo anivon’ny fitondram-panjakana. Vao nalaza kosa nefa ilay resaka dia nandray fitenenana avy hatrany ny governoran’ny faritra Analamanga. Nambarany tamin'ny maraina teo fa tsy misy idiran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny dian’i Romy Andrianarisoa tany Londres.
Androany tolakandro, namoaka fanambarana an-tsoratra ny teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ny amin’ny anatsaharana avy hatrany amin'ny asany ny voarohirohy any ivelany izao. Hita tao anatin’izany fanambarana izany fa tsy naniraka na mahafantatra ny anton-dian’i Romy Andrianarisoa tany Royaume-Uni ny Fiadidiana ny Repoblika, satria ao anatin’ny vanim-potoana fialan-tsasatra (congé) ny tenany.
Manantena hahita ny marina farak’izay haingana nefa ny Fiadidiana ny Repoblika noho ny fiaraha-miasa matotra eo amin’i Royaume Uni sy i Madagasikara.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo