• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Fiarovana sy fandriampahalemana : Omen-danja ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy

15/08/2023 19:47 © Moov.Mg

Tontosaina nanomboka androany ka tsy hifarana raha tsy ny alakamisy 17 Aogositra ho avy izao, any Lusaka Zambia ny fivoriana mahakasika ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny fiarovana sy ny fandriampahalemana. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany fivoriana ao anatin’izany sehatry ny African Military Law Forum sy ny Women African Military Professional Legal Network izany i Madagasikara.

Vehivavy mandray andraikitra

Anisan’ny hevi-dehibe resahana mandritra izao fivoriana izao ny anjara toerana lehibe raisin’ny vehivavy ao anatin’ny fampiroboroboana ny fiarovana sy ny fametrahana ny fandriampahalemana. Raha Madagasikara manokana no resahana dia efa manomboka maro ny vehivavy misafidy ny hisehatra ao anatin’io iray io. Antoky ny fandriana fahalemana tokoa ny fiaraha-misalahy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, toa ny any amin’ny sehatra arak’asa rehetra mihitsy.
Ankoatra ny fiarovana sy ny fandriampahalemana dia lohahevitra maro no mivoitra ao antin’ny lahadinika izay atao amin’ity taona ity tokoa ny fandraisana anjaran’ny vehivavy. Tafiditra ao antin’izany ohatra ny herisetra sy fanararaotana ara-nofo amin’ny vehivavy eny anivon’ny Tafika, manomboka amin’ny andraikitry ny mpanolotsaina araka ny lalàna ao anatin’ny fanadihadiana momba ireo heloka ireo, sy ireo fepetra ahafahana mampihena ny irika amin'izany, araka ny fanazavana entin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena (MDN).
Fikaonan-doha eo amin'ny firenena samihafa
Firenena maro mpikambana ao amin’ny Birao mpitantana ny AMLF izay voafidy ny Aogositra 2022 no mandray anjara amin’izany lahadinika izany. Ao ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny tambazotran’ny vehivavy matihanina amin’ny lalàna miaramila (WAMPLN). Izy ireo, noho izany no misolo tena ireo firenena maro aty Afrika.
Tonga manatritra ny fotoana, misolo tena an’ny Madagasikara any amin’io fivoriana izay maharitra telo andro io i Razanarivony Mialisoa, izay Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny MDN. Izy ihany koa no mpampifandray amin’ny Miralenta eo anivon’ny ministera izany, izay fantatra amin’ny teny baiko Point Focal Genre. Tsara ihany koa ny manamarika fa hetsika izay karakarain’ny Komandin’ny Tafika Amerikinina aty Afrika, na ny USAFRICOM ity fivoriana ity.
Antenaina hitondra fomba fiasa vaovao tsaratsara kokoa eo anivon’ny Tafika ny fandraisana anjara an’i Madagasikara amin’izao fivoriana lehibe izao. Anisan’ny olana iray lehibe mbola manjaka eto amin’ny firenena tokoa ny tsy fandriampahalemana izay miseho amin’ny lafiny maro. Ary manana anjara toerana sahanina amin’ny fiarovana sy ny fadriampahalemana ny vehivavy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo