• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Midi_Madagasikara
Image
Vaovao

Fametraham-pialan'i Andry Rajoelina : tsy nety nandray fitondrana Razafimahefa

10/09/2023 17:53 © Moov.Mg

Nametra-pialana tsy hitondra ny firenena intsony i Andry Rajoelina, araka ny voalazan’ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana, izay mamaritra fa tsy maintsy miala amin’ny toerany 60 andro mialoha ny andron'ny fifidianana ny filoha am-perin’asa raha ho kandida.

Ny Filohan’ny Antenimierandoholona no tokony hisolo ny toerany, mandrapahatonga ny fametrahana amin'ny toerany ny filoha vaovao voafidy. Tsy izany anefa no nitranga omaly, satria dia nandà tsy handray ny fitantanana ny firenena i Herimanana Razafimahefa, filohan'ny Antenimierandoholona. Manomboka eto izany, araka ny Lalàmpanorenana hatrany, dia fiaraha-mitantana eo anivon'ny Governemanta, na "direction collégiale", no mitondra ny firenena. Ny Praiminisitra no lehiben'izany, dia i Ntsay Christian izany.

Antony manokana

Araka ny filazana avy amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) dia noho ny antony manokana no voalaza fa tsy naneken-dRazafimahefa Herimanana ny fitantanana ny firenena. Ny andininy faha-52 amin'ny lalàmpanorenana, noho izany, no nentin'ny HCC nandray ny fanapahan-kevitra fa hatao fiaraha-mitantana ny fitondrana an'i Madagasikara. Voalaza ao fa "Raha vao hita fototra ny fahabangan-toeran’ny Filohan’ny Repoblika dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona no misahana vonjimaika ny asan’ny Filoham-pirenena mandra-pahatongan’ny fotoana handraisan’ny Filoha voafidy ny asany na mandrapifaranan’ny tsy fahafaha-miasa miserana ary raha misy fahabangan-toerana na tsy fahafahan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona hita fototra nambaran’ny Fitsarana Avo momba nyLalàmpanorenana dia ny Governemanta iray manontolo no misahana ny asan’ny Filohampirenena."

Rehefa fiaraha-mitantana tahaka izao moa no itondrana ny firenena dia amin'ny alàlan'ny maro an'isa no handraisana ny fanapahan-kevitra rehetra. Raha misy fanapahan-kevitra roa samy hafa kosa ary mizara mitovy ny isan'ny olona momba ny fanapahan-kevitra tsirairay dia ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta no tompon'ny fanapahan-kevitra farany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo