• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Mpariaka Boky
Image
Vaovao

Tontolon’ny boky : Hivoaka rahampitso ny "Rabitro tsara fanahy" sy « Inona no hitako ? »

09/04/2024 11:33 © Moov.Mg

Boky roa samy hafa no indray hivoaka amin’ny fomba ôfisialy rahampiso 10 aprily, natontan’ny edisiôna Mpariaka Boky. Homarihina amin’ny fihaonana amin’ny mpanoratra, eny amin’ny fivarotam-boky Librairie Lecture et Loisirs Tana Water Front Ambodivona, izany.

Nadika tamin’ny teny malagasy

Ny maraina amin’ny 10 ora no hampahafantatra ny boky mitondra ny lohateny hoe : « Qu'est-ce que je vois ? » / « Inona no hitako ? » i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy. Mpanoratra maraokanina antsoinahoe : Amina Hachimi Alaoui no nanoratra ny « Qu'est-ce que je vois ? », fa i Esther Randriamamonjy kosa no nandika azy tamin’ny teny malagasy. Araka izany, boky iray, fa amin’ny teny frantsay sy amin’ny teny malagasy, no hampahafantarina rahampitso. Isan’ny manavanana an’ity mpanoratra zokiolona ity ny fandikana boky amin’ny teny vahiny, ankoatra ny famoronana tantara avy amin’ny aingam-panahiny manokana. 91 taona i Esther Randriamamonjy ankehitriny ary 67 taona nanoratana. Isan’ny hozarainy amin’ny fihaonana rahampitso ny antony nahaliana azy handika amin'ny teny malagasy ity asa soratr’i Amina Hachimi Alaoui ity.

Angano miady rima

Ny boky faharoa, mitondra ny lohateny hoe : "Rabitro tsara fanahy", dia nosoratan’i Andoniana Voniary ary i Katty Raharvel no nanao ny sary. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro no hihaonan’izy ireo amin’ireo liana amin’ity boky angano ity. Ankafizin’ireo efa namaky azy ny tantaran’i "Rabitro tsara fanahy", hoy i Voniary, satria maro ny zavatra azon’ny ankizy sintonina ao anatiny : mianatra malala-tanana, mizara, mianatra manisa, mahafantatra karazana biby eto Madagasikara, mahafantatra voambolana malagasy ihany koa. Angano mora tadidy izy ity, hoy hatrany ny fanazavana, satria miendrika tsianjery misy rima. Amin’io fihaonana rahampitso io dia hisy ny famakian’ny mpanoratra ny boky, ny fampilalaovana ny ankizy ary ny fivarotana ny boky nasiana rango-tsiaro (dédicace).

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo