• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Symettre.Bzh
Image
DYI

Fomba fanamboarana savony ranony natoraly fanasana tanana

27/03/2024 10:38 © Moov.Mg

Efa miroborobo ankehitriny ireo karazana savony vita tanana na « artisanaux » amidy eny an-tsena eny. Mora kokoa, mandaitra tsara ary tsy mitahiry akora simika manimba hoditra izy ireny. Ho an’ireo mankafy mampiasa savony ranony (savon liquide) natokana ho an’ny fanasana tanana dia atoro eto ny fomba tsotra sy natoraly fanaovana azy ireny.

Ireo zavatra ilaina amin’ny fanaovana savony ranony natoraly fanasana tanana

-Rano 0,5l ;
-Savony vaingany izay tiana 40g ;
-Tantely na « glycérine » 3 sotro fihinanana ;
-Menaka zavamaniry toy menaka voanio, zavoka, oliva… 2 sotro fihinanana ;
-« Huile essentielle » izay tiana 15 mitete.
-« Flacon » ;
-« Râpe » ;
-Sotrobe hazo ;
-Vilany.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Kikisana amin’ny « râpe » ilay savony vaingany.
Ampangotrahana anaty vilany ny rano 0,5l. Rehefa mangotraka dia arotsaka ao ny savony voakiky. Aroharoana amin’ny sotrobe hazo mandra-pitsonika tsara ny savony. Raha toa ka mitsiranoka be ilay fangaro dia azo ampiana savony voakiky. Tsy azo ampiana savony be loatra kosa nefa satria lasa mihamaritra sy somary mivaingana io fangaro io rehefa mangatsiaka.
Arotsaka manarak’izay ny tantely na ny « glycérine » 3 sotro fihinanana ary afangaro tsara. Alefa ao manarak’izay ny menaka zavamaniry nosafidiana. Aroharoina hatrany ny fangaro. Tsy atao mahery loatra ny afo.
Rehefa mifangaro tsara daholo dia esorina ambony afo ny vilany ary avela hangatsiaka ny fangaro. Aorian’izay dia arotsaka ny « huile essentielle ». Aroharoana indray mba hifangaro tsara. Rehefa vita dia afindra anatin’ilay « flacon » hitahirizana azy ny savony ranony natoraly fanasana tanana. Azo tehirizina mandritra ny volana maro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo