• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Confessions D'Une Beauté Loveuse
Image
DYI

Fomba tsotra fanamboarana menaka vahona

17/04/2024 15:54 © Moov.Mg

Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ireo vokatsoa azo avy amin’ny vahona na « aloe vera ». Manampy amin’ny fikolokoloana ny volo sy ny hoditra moa izy io. Maro ny fomba azo ampiasana azy ary efa betsaka ihany koa moa ny vokatra voaodina azo avy aminy. Ny resahana eto anio dia ny fanamboarana menaka vahona vita ao an-trano.

Ireo zavatra ilaina raha hanamboatra menaka vahona

-Ravina vahona 1 lehibe ;
-Menaka azo avy amin’ny voanio tsy mitapoka 1 kaopy.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana tsara ary tetehina ny ravina vahona.
Arotsaka anaty vilany ny vahona voatetika sy ny menaka voanio.
Ataingina ambony afo malefaka. Arahina maso tsara io fangaro io fa tsy azo atao mangotraka. Izay indrindra no antony anaingainana azy ambony afo malefaka. Mety ihany koa raha atao « bain marie » ilay fangaro mba ho azo antoka tsy hangotraka.
Tsy mihoatra ny 10 hatramin’ny 15 minitra ny fotoana hijanonany eo amin’ny afo. Toy izay ihany koa raha natao « bain marie ».
Rehefa avy nesorina ambony afo dia avela hipetraka mandritra ny adiny 8 hatramin’ny 10 ora.
Aorian’izay fotoana izay dia esorina irao faikan’ny vahona ka ny menaka ihany no atao anaty « bocal ». Azo tatavanina amin’ny lamba manify moa ny fangaro raha tiana halamana tsara ny menaka. Tsara raha « bocal » vita amin’ny vera no hitahirizana azy.

Menaka vahona : manampy amin’ny fampaniriana ny volo

Isan’ireo vokatra natoraly manampy sy mandaitra amin’ny fampaniriana ny volo ny menaka vahona. Tsotra ny fampiasana azy :
-Zarazaraina maromaro ny volo ;
-Asiana menaka vahona kely ny felatanana ary ahosotra eo amin’ny volo sy ny hodi-doha ;
-Somary horina kely ny loha mba hidiran’ilay menaka amin’ny volo sy ny hodi-doha ;
-Atao mahazo menaka ihany koa ny lohan’ny volo ;
-Avela hilona mandritra ny adiny 2 na mandritra ny alina tontolo ;
-Sasana toy ny mahazatra ny volo aorian’izay.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo