• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
DYI

Fikafika tsotra mampamanimanitra ireo lamba ao an-trano

18/04/2024 09:21 © Moov.Mg

Maro ireo fofona ratsy miraikitra amin’ny lamba ao an-trano na amin’ny akanjo na efa avy nosasana tsara aza izy ireo. Anisan’izany fofona izany ny fofona menaka, sigara, hamandoana, hatsembohana, fofona bobongolo… Ireto ary misy fikafika tsotra azo atao mba hampamanimanitra hatrany ny lamba sy ny akanjo madio.

Atapy andro avy hatrany ny lamba avy nosasana

Isan’ireo antony mahatonga ny fofona ratsy amin’ny lamba ny tsy fanazana azy avy hatrany rehefa avy nosasana. Na mampiasa « machine à laver » na manasa lamba amin’ny tanana dia tsy maintsy tonga dia ahazana ny lamba lena. Raha avela mijanona fotsiny eo mandritra ny ora maro na ny alina tontolo ny lamba lena dia lasa misy fofona ratsy izay ela tokoa vao afaka. Tsara raha eo amin’ny toerana hazon’ny rivotra sy ny masoandro tsara no hanazana azy ireny. Mazava ho azy fa savony sy vovon-tsavony na « lessive » tsara fofona sy manitra tsara no ampiasaina rehefa manasa lamba.

Mampiasa « huiles essentielles » kely rehefa manasa lamba

Azo atao tsara ny mampiasa « huiles essentielles » rehefa manasa lamba mba hampamanimanitra ireto farany mandrapanasa azy indray. Tsotra ny fanaovana izany. Asiana « huile essentielle » kely amin’ny rano ampiasaina hanasana ny lamba. Tsy atao be dia be fa 3 hatramin’ny 5 mitete dia ampy, arakaraky ny habetsan’ny lamba. Miraikitra mandritra ny fotoana maharitra eo amin’ny lamba ny fofon’izany rehefa maina. Safidiana tsara ny « huile essentielle » ampiasaina mba tsy ho mora leo ny fofony.

Asiana zavatra manamanitra anatin’ny fitoeran-damba

Matetika ny fitoeran-damba mihidy lava, toy ny « armoire » sy ny « commode » dia mamindra fofona bobongolo amin’ny lamba. Mba hiadiana amin’izany fofona ratsy izany dia asiana zavatra manimanitra ao anatin’ny fitoeran-damba. Azo atao ohatra ny maka savony manitra tetehina madinika. Ireo tapatapaka savony ireo no aparitaka eny amin’ny zoron’ny fitoeran-damba sy ao ambanin’ny lamba. Afaka mampiasa vokatra manokana manamanitra ny anaty fitoeran-damba, toy ny « sachet de lavande » na « boules parfumées » ihany koa raha mahita izany eny amin’ireny tranombarotra lehibe ireny.

Miady amin’ireo fofona ratsy miraikitra amin’ny lamba

Sarotra esorina ny fofona mahery miraikitra amin’ny lamba, toy ny fofona sakafo, lasantsy, sigara… Mila esorina eo am-panasana ny lamba izany fofona izany satria raha tsy afaka tsara dia mety hifindra amin’ny lamba hafa. Mba ahatongavana amin’izany dia asiana vinaigitra fotsy iray kaopy ny rano hanasana ny lamba. Raha azo atao dia atokana ireto farany fa tsy afangaro amin’ireo lamba hafa. Sady ho afaka ny fofona ratsy no ho lasa miverina toy ny vaovao ny lamba.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo