• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Marmiton
Image
DYI

Fikafika hitehirizana ny voasary makirana

16/04/2024 15:41 © Moov.Mg

Isan’ny voankazo ilaina be hampiakarana ny hery fiarovana ny voasary makirana. Mbola anaty ny fotoana fahavokaran’izy ireny moa isika izao. Mora simba nefa izy ireny raha tsy hay ny mitahiry azy. Araho eto ary ireo torohevitra sy fikafika azo atao mba hitehirizana ny voasary makirana ela kokoa.

Apetraka amin’ny toerana azon’ny rivotra

Isan’ny fomba tsotra azo hitehirizana ny voasary makirana ny fametrahana azy amin’ny toerana azon’ny rivotra. Tsara kokoa raha amin’ny toerana maloka tsy tratran’ny masoandro no ametrahana azy. Tandremana ihany koa mba tsy hidiana anaty « placard » na atao amin’ny toerana mandomando satria mety hahamora lo azy izany. Mampaharitra azy eo amin’ny 10 andro eo ho eo izany.

Ampirimina anaty vata fampangatsiahana

Raha tiana aharitra ela kokoa ny voasary makirana dia tsara raha ampirimina anaty vata-fampangatsiahana. Ao amin’ny fampirimanana ny legioma (bac à légumes) izay fitoerana eo amin’ny farany ambany anaty vata fampangatsiahana izy ireny. Sasana tsara alohan’ny ampidirana azy. Raha voasary makirana mbola ilay tsara iny no tehirizina ao dia mety aharitra hatramin’ny 3 herinandro.

Alona anaty rano ary tehirizina anaty vata fampangatsiahana

Fomba iray hafa azo hitehirizana ny voasary makirana anaty vata fampangatsiahana ihany koa ny fandomana azy anaty rano. Izany hoe maka « bocal » lehibe iray ary atao ao ireo voasary makirana. Fenoina rano ilay « bocal » ary hajanonana anaty vata fampangatsiahana. Mila soloina isan’andro ilay rano mba tsy hanimba ireo voankazo. Maharitra hatramin’ny 2 volana ny voasary makirana tehirizina amin’ity fomba iray ity.

Tehirizina anaty sira

Akora iray efa fampiasa amin’ny fitehirizana sakafo ny sira. Efa tsy zoviana amintsika intsony ny fitehirizana ny hena sy ny trondro amin’ny alalan’ity farany. Afaka ampiasana mba hampaharitra ny voasary makirana ihany koa izy io. Maka « bocal » lehibe iray ary fenoina voasary makirana madio sy maina tsara ao anatiny. Avy eo fenoina sira ireo faritra banga rehetra ary saromana ilay « bocal ». Sira vaingana no tena mety. Maharitra herinandro maro ny voasary makirana tehirizina amin’io fomba io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo