• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Depositphotos
Image
Fahasalamana&Sakafo

‘Ndeha ho resahana ny mikasika ny « boulimie »

27/03/2024 11:56 © Moov.Mg

Mbola maro amintsika ny tsy mahafantatra ny atao hoe « boulimie ». Aretina iray tsy hita soritra izy ity matetika ka rehefa misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina vao fantatra. Fa inona tokoa moa izany « boulimie » izany ? Inona ny fiantraikany ary ahoana ny fitsaboana azy ?

Inona no atao hoe « boulimie » ?

Ny « boulimie » dia aretina iray sokajiana ho « trouble alimentaire grave » na fikorontanan’ny fomba fisakafoanana. Izany dia miseho matetika amin’ny alalan’ny dingana roa lehibe. Ny voalohany dia ny atao hoe « crise de boulimie », izany hoe misesika sakafo be dia be sy haingana be.
Aorian’izay dia miditra amin’ny dingana faharoa dia ny atao hoe « comportements compensatoires », izany hoe miezaka manohitra ny vokadratsin’ilay « crise de boulimie » amin’ny alalan’ny fandoavana, fihinanana fanafody mampivalana, fanaovana fanantanjahantena mafy be, fifadiana hanina…
Maro ireo antony mahatonga ny olona iray hanao « boulimie ». Anisan’ireo trangan-javatra mety mitarika izany ny rarintsaina, ny fahaverezana olona akaiky, ny fanaovana « régime » fampihenana vatana enjana loatra, ny tsy fahatokisan-tena…

Inona no mety ho fiantraikan’ny « boulimie » ?

Mety misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina ny aretina « boulimie ». Raha eo amin’ny lafin’ny ara-batana dia mety mahatonga :
-Tsy fahampiana rano ;
-Areti-nify ;
-Aretin’ny vavony sy ny lalankanina ;
-Aretin’ny fo ;
-Aretin’ny taolana toy ny « ostéoporose ».
Raha eo amin’ny lafiny ara-tsaina kosa indray dia mety hitarika :
-Fahaketrahana (dépression) noho ny fahamenarana sy ny fanameloan-tena ;
-Tebiteby ;
-Aretin-tsaina.
Ankoatra ny olana ara-pahasalamana dia mety hisy fiantraikany amin’ny fifandraisana amin’ny hafa ihany koa ny « boulimie ». Satria mahatsiaro tena menatra, mankahala ny tenany, manamelon-tena sy tsy mahatoky tena ilay olona « boulimique » dia manjary lasa tia mitokatokana, tsy tia mifandray sy masiaka amin’ny hafa (fianakaviana, namana, mpiara-miasa…).

Ahoana ny fitsaboana ny « boulimie » ?

Ny fanantonana « psychologue » no fomba ahafahana mitsabo ny « boulimie ». Satria moa izy io aretina miainga amin’ny tsy fahatomombanana ara-tsaina dia ny mpitsabo manokana manana traikefa amin’izany no afaka manome ny fitsaboana sahaza. Amin’ny ankapobeny dia mila manao « thérapie » mihintsy ilay marary mandritra ny fitsaboana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo