• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Lesoeufs.Ca
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « quiche »

27/03/2024 16:27 © Moov.Mg

Nahandro matsiro, mora karakaina ary azo atao fitadiavam-bola ny « quiche ». Maro moa ny tsiro afaka anaovana azy ity, arakaraka ny hitiavana azy sy ny akora ananana. Ho an’ireo mbola vao hianatra dia atoro eto ary ny fomba tsotra fikarakarana « quiche ».

Ireo zavatra ilaina raha hanao « quiche »

-Lafarina 250g
-Dibera 150g
-« Lardons » 250g ;
-Atody 4
-« Crème fraîche » 50cl
-Menaka
-Rano
-Sira
-Dipoavatra

Fomba fikarakarana ny « quiche »

Atomboka amin’ny fanaovana ny paty
Atao anaty lovia jobo lehibe ny lafarina, ny dibera 120g, ny rano 1 sotro fihinanana sy ny sira 2 tsongo.
Afangaro tsara amin’ny tanana avy eo volavolaina mba ahazoana paty malama, tsy miraikitra amin’ny tanana. Atao lasa « boule ».
Fonosina « sachet » na « film alimentaire » ary avela hilona amin’ny toerana mangatsiaka mandritra ny ora 1.
Fisahana amin’ny « rouleau pâtissier » ary apetraka anaty lasitra (moule). Atao manaraka ny bikany ary fenoina hatramin’ny sisiny.
Asiana lavaka kely maromaro amin’ny sotrorovitra ilay paty avy eo osorana ny dibera ambiny eo amboniny mba tsy ampiraikitra ny paty.
Atsofoka anaty lafaoro mandritra ny 15mn amin’ny hafanana 210°C. Tsy masaka tanteraka izy amin’izay fa « pré-cuit ».
Miditra amin’ny fikarakarana ny fangarony
Tetehina madinika ary ampangotrahina mandritra ny 2mn ilay "lardons" mba hiala aloha ny loto ao anatiny.
Atao anaty lovia jobo ny atody sy ny « crème fraîche » ary ny sira sy ny dipoavatra. Avy kapohana miaraka mba hifangaro tsara.
Esorina ilay paty anaty lasitra ary arotsaka eo amboniny ilay "lardons". Araraka manaraka azy ihany koa ilay fangaro rehetra teo.
Atsofoka anaty lafaoro mandritra ny 20mn sy amin’ny hafanana 210°C. Vita ny nahandro

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo