• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Misy atahorana ve ny zaza be ranon’ivy na rarak’ivy be ?

16/04/2024 14:24 © Moov.Mg

Zavatra voajanahary tsy tokony misy atahorana ny fisian’ny ivy amin’ny zazakely. Indraindray nefa misy ireo zaza tena be rarak’ivy be ka mahakotsa ny akanjo mihintsy. Misy tokony atahorana ve ny amin’ny zaza be ranon’ivy na be rarak’ivy be ? Inona no mety mahatonga izany ?

Ireo tsara fantatra mikasika ny ranon’ivy na ny rarak’ivy amin’ny zaza

Ny ranon’ivy na rora (salive) dia manando ny ativava sy ny lela mba tsy ho maina. Izy io ihany koa dia manadio sy manala ireo ambina sakafo tavela anaty vava, mamono ny bakteria ratsy ary manampy amin’ny fandevonan-kanina. Manomboka amin’ny faha 2 na 3 volan’ny zaza dia efa miasa tsikelikely ny mpamokatra rora (glandes salivaires » ao aminy ka lasa be ranon’ivy na be rora ny zazakely. Mandritra izany moa no ilazana fa rarak’ivy be ny zaza.

Inona no antony mahatonga ny zaza ho be rarak’ivy ?

Satria moa tsy mahay manatelina ny zaza dia lasa mivoaka ho azy avy eo am-bavany ny rora vokarin’ny « glandes salivaires ». Tsy tokony misy mahataitra noho izany raha toa ka misy ranon’ivy matetika ny zazakely. Noho izy mbola tsy manana « reflexe » manatelina rora dia mety hiraraka ho azy izany rehefa variana izy na rehefa milalao.
Misy zaza sasany tsikaritra ho somary be ranon’ivy kokoa raha oharina amin’ny zaza hafa. Ireo izay minono tanana na mitsetsitra « tétines » moa no tena manao izany satria betsaka kokoa ny rora miangona ao am-bavany. Mazava ho azy fa tsy misy atahorana ny amin’izany satria ho afaka miandalana izany rehefa mahay mitelin-drora tsara ny zaza.
Rehefa mitsiry ny nifin’ny zaza dia lasa be ranon’ivy ihany koa izy ireny. Satria mangidihidy azy ilay hihy dia tia manaikinaikitra kilalao, tanana na izay zavatra mety voarain’ny tanany izy. Misy fotoana ihany koa izy mitsako tsy misy. Izany rehetra izany dia mampiandrona ny rora ao am-bavany sy maha be ranon’ivy azy.

Rehefa inona kosa no tokony atahorana ny mikasika ny zaza be ranon’ivy ?

Araka ny voalaza teo aloha dia tsy aretina akory ny mahatonga ny zaza be ranon’ivy. Mila manantona mpitsabo kosa nefa raha toa ka sady be rarak’ivy be ny zaza no sady :
-Mitomany lava tsy fantatra izay mahazo azy ;
-Manilana lava ;
-Zara raha matory.
Raha ny ampahany na ny fitambaran’ireo fambara ireo no mitranga dia midika izany fa manao « reflux gastro œsophagien » na RGO ny zaza. Mila manantona mpitsabo manoka ny zazakely sy ny ankizy (pédiatre) mba hitsaboana izany.
Anisan’ny antony ara-pahasalamana mahabe ranon’ivy be ny zaza ihany koa raha tsy nivoatra araka ny tokony ho izy ny « reflexe des points cardinaux ». Antsoina hoe « reflexe archaïque » izay manampy ny zaza hinono dieny vao teraka izy io ary efa hatrany am-bohoka. Mila jeren’ny mpitsabo ny fandraisan-tanana mila atao amin’ilay zaza mba hitsaboana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo