• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Les Louves
Image
Reny&Zaza

Fantatrao ve fa tsy tokony omena sira ny zaza latsaky ny 1 taona ?

17/04/2024 13:19 © Moov.Mg

Mila tandremana tsara ny sakafo omena ny zazakely mba ho fiarovana ny fahasalamany. Alohan’ny faha erin-taonan’ny zaza dia tsy mbola mahazo asiana sira ny sakafony. Fa inona tokoa moa asan’ny sira atao amin’ny sakafo ? Inona no antony tsy mbola anomezana azy ny zaza ? Ahoana no atao hampatsiro ny sakafon’ny zazakely ?

Inona ny asan’ny sira fatao amin’ny sakafo ?

Ny sira fatao amin’ny sakafo (sel alimentaire ou chlorure de sodium) dia voarifitra « sodium » 40% sy « chlorure » 60%. Ny « sodium » dia manampy amin’ny fandrindrana ny rano anaty vatana, ny fibaikon’ny saina ny vatana ary ny fanatsarana ny fihinjiran’ny hoditra. Ny « chlore » kosa dia isan’ireo tsiranoka mandrafitra ny atidoha sy ny vavony. Toy ny « sodium » dia ilaina amin’ny fiasanan’ny sela ao amin’ny vatana ny « chlorure ». Arak’izany dia mila sira ny vatan’olombelona. Rehefa feno 1 taona kosa nefa ny zaza vao tsara asiana izany ny sakafony.

Ny antony tsy mbola anomezana sira ny zaza latsaky ny 1 taona

Mbola tsy matoy ny ankamaroan’ny taovao ao amin’ny zaza mandrapa fenony 1 na 2 taona. Anisan’izany taova izany ny voa (reins). Ireto farany no miasa amin’ny fanivanana (flitrer) ny sakafo rehetra nohanina sy ny zava-pisotro nosotroin’ny zaza. Izany hoe ny voa no manavaka ireo ilain’ny vatana sy ny fako mila ariana (ny pipy sy kakà).
Marihana fa mbola tsy mahavita manivana tsara ny sira toy ny olon-dehibe ny taovan’ny zaza latsaky ny erin-taona. Izay no antony tsy tokony mbola anomezana sira azy ireny. Araka ny vokam-pikarohana nataon’ny manam-pahaizana dia tsy tokony hihaotra ny 0,4g isan’andro ny sira ilain’ny zaza latsaky ny erin-taona. Marihana nefa fa maro ireo sakafo efa mitahiry sira omena ny zaza raha tsy hitanisa afa-tsy ny fromazy, ny mofo, ny dibera, ny « jambon », ny rano, ny « yaourt », ny koba Aina, ny « petit pot » … Efa mahafeno ny fatran’ny sira ilain’ny vatany ireo karazana sakafo ireo.
Ankoatra izay dia voalaza fa mety hanimba ny lelan’ny zaza ny fihinanana sira, indrindra raha be loatra izany. Lasa zatra izany tsiro izany ny lela ka rehefa miha lehibe ilay zazakely dia tsy mahatsapa ny tsiron’ny sakafo misy sira raha tsy atao somary be sira. Mety ho lasa tsy tia tsiro hafa ihany koa izy satria lasa zatra masira. Rehefa be loatra nefa ny sira hoanina dia mety hiteraka voka-dratsy ho an’ny fahasalamana rehefa miha lehibe.

Ahoana ary ny fomba atao hampatsiro ny sakafon’ny zaza ?

Hevitra mandiso antsika lehibe ny mieritreritra fa mila asiana sira ny sakafon’ny zaza vao matsiro. Ny marina nefa dia tsy mbola fantatry ny lelany ny tsiron’ny sira fa isika no manazatra izany azy. Noho izany, mba ampatsiro ny sakafon’ny zaza dia afaka ampanandramana tsiro hafa izy, toy ny :
-Fampiasana hanitra natoraly rehefa mikarakara ny sakafony, toy ny tongolo gasy kely, persily, tamotamo…
-Fampiasana legioma maro karazana rehefa manao ny lasopiny ary azo asiana fromazy voakiky kely ;
-Fitotoana hena na nofon’akoho kely miaraka amin’ny variny ;
-Fampiasana dibera kely hanomezana tsiro ny sakafony ;
-Fanomezana vary malemy miaraka amin’ny solon-dronono.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo