• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Fiterahana : Ireo tsara fanatra mikasika ny vozon’ny tranon-jaza

18/04/2024 11:34 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo bevohoka niaina izany vozon’ny tranon-jaza tsy nety nisokatra izany mandritra ny fiterahana ka niafara tamin’ny fandidiana (OC) mba hanavotanana ny zaza. Manitikitika ny sain’ny maro ny asan’ny vozon’ny tranon-jaza mandritra ny fiterahana sy ny antony tsy mampisokatra izany. Resahana eto ary ireo rehetra tsara fantatra mikasika izany.

Ny asan’ny vozon’ny tranon-jaza eo amin’ny bevohoka

Ny vozon’ny tranon-jaza na « col de l’utérus » no miantoka ny fitazomana ny zaza tsy hiporitsaka mialoha ny fotoana sy manakana ny loto na ny bakteria mitondra aretina hiditra anatin’ny tranon-jaza. Mazava ho azy fa tokony mihidy tsara ny vozon’ny tranon-jaza mandritra ny fitondrana vohoka. Raha misokatra alohan’ny 37SA izy io dia tsy maintsy hakatona. Mila misokatra kosa nefa izany mandritra ny fiterahana.
Miteraka fahasarotana eo amin’ny fiterahana ny tsy fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza ara-potoana. Mety ho sempotra ny zaza ary mety ho reraka loatra ny mpiteraka ka tsy ahavita hanena intsony. Misy fialana nenina ataon’ny mpitsabo ihany amohana ny zaza fa raha tsy mahomby izany dia tsy maintsy miditra amin’ny fandidiana.

Ireo antony tsy mampisokatra ny vozon’ny tranon-jaza eo am-piterahana

Rehefa vonona ho teraka ny zaza dia mikainkokainkona ny tranon-jaza ka izay no atao hoe « contractions ». Ireto farany no mampisokatra tsikelikely ny vozon’ny tranon-jaza. Manampy amin’izany ihany koa moa ny fanosehan’ny zaza ao an-kibo izay efa te hivoaka. Raha tsy mety misokatra ny tranon-jaza na koa tsy ampy ny fisokafany dia ireto avy no mety anton’izany :
-Tsy mafy tsara na mifanelanelana loatra ny fikainkonan’ny tranon-jaza ;
-Tsy tafidina tsara anatin’ny lalan-jaza ny zaza na koa tsy mitambesatra tsara eo amin’ny vozon’ny tranon-jaza ka tsy ampy ny « pressions » mampisokatra ity farany ;
-Mizihitra be loatra ny tranon-jaza ka tsy mahavita mikainkona mafy, ohatra raha be loatra ny ranon-dohany, kambana ny zaza ao an-kibo, ngeza loatra ny zaza… ;
-Efa nitondra zaza maro loatra ny tranon-jaza dia lasa tsy « élastique » intsony ka manjary maivana ny « contractions » ;

Torohevitra hampalefaka sy hahamora misokatra ny vozon’ny tranon-jaza

Araka ny voalaza teo ambony dia misy hatrany ireo fialana nenina ataon’ny rasazy na ny mpitsabo mba hanampiana ny fisokafan’ny vozon’ny tranon-jaza raha sarotra misokatra izany eo am-piterahana. Misy ihany koa nefa ireo torohevitra atoro ny bevohoka mba hampalefaka sy hahamora misokatra izany rehefa tonga ny fotoana fiterahana :
-Mazoto mandeha tongotra ny bevohoka, indrindra manomboka ny faha efa-bolan’ny kibo ;
-Milomano matetika araka izay azo atao. Tsy manao vizaka be loatra kosa nefa ;
-Manao fanazarana ny « périnée » mba hampalefaka izany. Ny rasazy moa no manoro ireo « exercices » mila atao amin’izany ;
-Ahena ny fatran’ny sira amin’ny sakafo, indrindra rehefa feno 36SA ny vohoka. Tsy hoe mifady sira fa ahena fotsiny ihany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo