• Cours de change
  • 4737.31 AR
  • |
  • $4420.49 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
DYI

Fiadiana amin’ny kadradraka : ireo fikafika natoraly azo atao

09/04/2024 11:37 © Moov.Mg

Mirongatra tokoa ny kadradraka sy ny kalalao ankehitriny. Saika ahitana azy avokoa ny trano rehetra, eny na eny amin’ny birao aza. Mila fongorina haingana izy ireny vao mipoitra satria mora mitombo isa ka vetivety dia feno ny trano. Ahoana ary ny fomba natoraly hiadiana amin’ny kadradraka sy ny kalalao ?

Atao madio sy maina tsara ny ao an-trano

Ny loto ateraky ny potipotin-kanina no isan’ny manintona ny kadradraka sy ny kalalao ao an-trano. Mba hisorohana ny firongatr’izy ireny ary dia mila atao madio tsara ny ao an-dakozia sy ny ao amin’ny trano fisakafoanana. Rehefa avy misakafo dia sasana daholo ny lovia, sotro ary ireo fitaovana rehetra nampiasaina tamin’ny fikarakarana sakafo. Fafana tsara ny latabatra avy nisakafoanana sy ny amin’ny tany raha nisy potin-tsakafo latsaka. Manintona ny kadradraka sy ny kalalao ihany koa ny hamandoana ka mila hamainina tsara avokoa ireo fitaovana avy nosasana, ny toerana fanasam-bilia, ny anaty fitoerana lovia sy vilany…

Mampiasa vinaigitra fotsy mba ampitsoaka ny kadradraka sy ny kalalao

Mahery fofona ny vinaigitra fotsy ka azo ampiasaina tsara hiadiana amin’ny kadradraka sy ny kalalao ao an-trano. Mila faharetana kosa nefa ny fampiasana azy io satria mila tanterahana mandritra ny andro maromaro. Tsotra ihany ny fanaovana izany. Diovina tsara avokoa ny fototry ny rindrina ambany, ny gorodona, ny fanaka sy ireo heverina ho lalan’ireo bibikely ireo. Aorian’izay dia tsifirina amin’ny vinaigitra fotsy natao tao anaty « vaporisateur » na tavoahangy misarona nigoahana ny lohany. Somary fohana kely amin’ny lamba ny fanaka mba tsy hamaritra.

Poizinina amin’ny karibonetra sy siramamy

Afangaro anaty lovia jobo na « bol » ny karibonetra sy ny siramamy vovony. Rehefa mifangaro tsara dia afafy ao amin’ireo efitrano mafanafana sy mandomando toy ny lakozia sy ny efitrano fidiovana. Voasarik’io fangaro io ireo kadradraka sy ireo kalalao ka hinanana izany noho ilay tsiro mamimamy. Poizina mahafaty ireto farany nefa ny karibonetra mifangaro siramamy ka raha mihinana izany izy ireo dia ho faty sy ho fongatra.

Fandrihana amin’ny divay mamy

Akora natoraly iray hafa afaka hamonoana ny kadradraka sy ny kalalao ao an-trano ihany koa ny divay. Ho famandrihana azy ireo dia atao anaty zinga ny divay mamy. Tsy atao feno be ilay zinga fa atao somary ambanimbany ny fatran’ny divay ao anatiny. Manintona ireo bibikely ireo moa ny fofona sy ny tsiron’ilay divay mamy ka hiditra ao anatin’ny zinga izy ireo ka tsy ho tafavoaka intsony avy eo. Tsara raha atao maromaro ireo fandrika ireo ao amin’ny lakozia sy ny efitrano fandroana.

Miantso mpamono bibikely raha be loatra ireo kadradraka sy kalalao

Tsy azo atao tsirambina ny firongatry ny kadradraka sy ny kalalao ao an-trano. Maro ny vokadratsy ateraky ny fisian’izy ireo raha tsy hitanisa afatsy ny fofona ratsy avoakany sy ny fandotoany ny sakafo, eny na ireo mifono aza. Raha be loatra ireo bibikely ireo dia aleo miantso matihanina amin’ny famonoana azy ireny mba hamongatra azy. Tsy mora hita tokoa mantsy ny fitoerana hitobian’izy ireo ka mety tsy ho ampy hamongorana azy ny fampiasana ireo fikafika natoraly natoro ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo