Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 14 hatramin'ny 20 aprily 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 14 hatramin'ny alahady 20 aprily 2025.
Asa tanana # Fanombohana ny Tetikasa Sandratra
Tontosa ny talata 16 aprily lasa teo ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piarahamiasa ho an’ny tetikasa Sandratra. Tanjona ny fampiofanana ho an’ireo vehivavy mananontena amin’ny sokajin-taona 15 ka hatramin’ny 29 taona sy ny fanohanana amin’ny famoronana asa sy fivelomana. Ny fahaleovantena ara-toekarena ho an’ireo reny tokantena eto Antananarivo no tena vaindohan-draharaha. Vehivavy miisa 900 no hisitraka ny fampiofanana.
Iarahan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, ary ny fikambanana Aide Education Madagascar izany tetikasa izany.
Fitsidihan'ny Filoham-pirenena Frantsay & Fihaonana COI # Hentitra ny fitandrovana ny fandriampahalemana
Efa maty paika ny fitandrovana ny fandriampahalemana mandritra ny fandraisana ireo vahiny manan-kaja avy amin'ireo Nosy manodidina an'i Madagasikara. Ny alarobia 23 aprily moa no ho tonga eto Antananarivo ny filoham-pirenena Frantsay, ary ny alakamisy 24 aprily kosa ilay fihaonambe COI.
Mampitandrina ireo mikasa hanakorontana mandritra ny fihaonambe COI ny EMMONAT. Efa manana lamina manokana izy ireo mba hizotra am-pilaminana ny fitsidihana, fivoriana sy ireo fandaharam-potoana samihafa eto Antananarivo.
Fananantany # Hapetraka ny « système d’information Foncière »
Hapetraka tsikelikely ny "système d’information Foncière" (SIF) amin'ny faritra dimy anisan’izany: Menabe, Atsimo Antsinanana, Anosy, Atsimo Andrefana ary Analamanga. Nisy fihaonana fifanakalozan-kevitra natao androany niarahana tamin’ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany sy ny Tomponandraikitry ny PACFC II eo anivon’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD).
Hisy ny fanavaozana sy famindrana amin’ny endrika nomerika ny asa amin’ny sehatry ny fananan-tany. Tsy azo adinoina ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fitaovan’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny tany.
Fidiovana & fahadiovana # Herinandro Nasionalin'ny rano 2025
Tontosa ny 16-17-18 aprily 2025 ny "Herinandro nasionalin’ny Rano. Fotoana nanamafisana ny maha-zava-dehibe ny rano sy ny fiaraha-mientana amin’ny fitantanana maharitra no notanterahina. Maromaro ireo Ministera nandray anjara, ka anisan'izany ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana sy ny Ministeran'ny Tontolo iainana.
Anisan'ireo nampahafantatra ny asany ny Direction de l'Eau de l'Assainissement et de l'hygiène (DEAH) eo anivon'ny CUA sy ny Société Municipale d'Assainissement (SMA). Izy ireo moa no mikarakara ny paompim-bahoaka sy ny fanadiovana ny tambajotran-drano maloto.
Rano fisotro madio # Havaozina ireo fitaovana ao Mandroseza
Ho soloina sy havaozina tanteraka ny fitaovana ao Mandroseza I sy II. Hiakatra ho 120.000 m³/isanandro ny famokaran-drano ho an'Antananarivo sy ny manodidina, ary hanampy 20.000 m³/andro ny Unité Compacte vaovao. Nandritry ny lanonana dia nisy ihany koa ny fanolorana ny groupes électrogènes de secours izay miisa 25 hiatrehana ny olan’ny fahatapahan-jiro izay mety hanelingelina ny famokarana rano.
Tanjona amin’ity tetikasa ity ny hanome rano fisotro madio ho an’ny mponina, hiaro ny fahasalamam-bahoaka ary hanamafy ny fototra iankinan’ny fampandrosoana eto an-drenivohitra.
Tetikasa miantraika amin’ny vahoaka # 65,39 miliara ariary avy amin'i Japon
Mamatsy vola 14,53 tapitrisa Dolara na 65,39 miliara ariary i Japon, ho fanohanana an'i Madagasikara. Nampahafantarina ny 15 aprily lasa teo izany.
Hifantoka amina tetikasa miantraika manokana amin'ny vahoaka ny hampiasana io vola io. Ireto teboka ireto no voakasika : fahasalamana ara-pananahana, fahampian-tsakafo, fidiovana, fiarovana ny sisin-tany ary ny ady amin’ny fandrobana eny an-dranomasina. Miara-miasa amin’ireo Vondrona sy Fikambanana iraisampirenena eto Madagasikara maro moa i Japon : PNUD, UNICEF, PAM, OIM, UNFPA, ONUDC.
Fitiliana ny toetr'andro # Manomboka ny tetikasa SOFF
Tontosa ny 15 Aprily lasa teo ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa Systematic Observations Financing Facility (SOFF) eto Madagasikara, tanterahin'ny PNUD.
Hitondra fanohanana ho an’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny andro ity tetikasa ity, mba hanatsarana ireo kalitaon’ny atotam-baovao vokarin’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro. Hisy ny fametrahana toeram-pitiliana ara-toetrandro tsy baikona vaovao miisa 02 any Arivonimamo sy Ambatondrazaka. Vaindohan-draharaha ihany koa ny fanavaozana toeram-pitiliana ara-toetrandro 09 efa misy, sy fananganana toeram-pitiliana ara-toetrandro any Antsiranana.
Fambolena & fiompiana : Mihamafy ny ady amin'ny valala
Miara-mientana manamafy ny ady amin’ny valala ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ireo mpiara-miombon’antoka, amin’ny alalan’ny fanomanana mialoha ny taom-pamonoam-balala ho an’ny taona 2025.
Tafiditra ao anatin’ny drafitra nasionaly maharitra 4 taona (2024–2028), mitohy ny fanamafisana ny fandraisana andraikitra sy ny hetsika ara-teknika ho fiarovana ny fambolena sy ny mponina amin’ny fanafihan’ny andiam-balala. Nanomboka ny volana Janoary ka hatramin’ny 15 Aprily 2025, velaran-tany 227.000 ha no nofafazana fanafody.
Kanto Malagasy # Nodimandry i Roland Raelison
"Very vakana aho zavavy, indro tonga mba hiangavy..."
Nodimandry teo amin'ny faha-87 taonany i Roland Raelison, mpamoron-kira sady mpitendry vatamarobokotra (piano).
Tao La Réunion no tenany no niasa sy nipetraka, nefa tsy nanadino nanolotra seho mihitsy isaky ny nandalo teto Madagasikara. Tao anatin'ny folo taona mahery, dia tonga isan-taona teto Madagasikara izy nanao fampisehoana. Nomeny nihiran'ny zafikeliny, Faniry Raelison, moa ireo hira noforoniny.
Namorona trano fandraisam-peo izy tamin'ny 1977, ary nanorina sekoly fampianarana mozika ny taona 1986.
Toamasina # Fankasitrahana mpisehatra amin'ny fizahantany
Notanterahana ny 14 aprily lasa teo ny fizarana mari-pankasitrahana ho an'ireo mpandraharaha amin’ny fizahantany sy mpitaridia miisa 93 tao Toamasina. Mifamatotra mantsy ny asan'ny mpisehatra rehetra ao anatin'ny sehatry ny fizahantany.
Nohamafisin-dRamatoa Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tànana fa zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny fizahantany ny fanajana sy fanatsarana ny asa rehetra mifandray amin’izany. Nanamarika izy fa betsaka ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana, tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, amin’ny fanatsarana ny sehatra, fa indrindra ao Atsinanana, faritra iray tena manankarena amin’ny tolotra ara-pizahantany.