• Cours de change
  • 5044.1 AR
  • |
  • $4464.77 AR
Copyright Image : © Institut Montagne
Image
Vaovao

Emmanuel Macron hitsidika an'i Madagasikara : Tsy fiverenana amin'ny fanjanahantany akory ireo fifanaraham-piaraha-miasa

21/04/2025 06:41 © Moov

Miteraka resabe ny fitsidihan'ny filohampirenena Frantsay Emmanuel Macron an'i Madagasikara, indrindra moa amin'ny hisian'ny fanaovan-tsonia amin'ny fiaraha-miasa maromaro.

Navoakan'ny Fiadidiana ny Repoblika Malagasy ny sabotsy 19 aprily lasa teo ny fandaharam-potoana mikasika ny fitsidihan'ny filohampirenena Frantsay mivady an'i Madagasikara.

Fanamafisam-piaraha-miasa

Feno dia feno ny fandaharam-potoan'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron mandritra ny fivahinianany eto Madagasikara, ny alarobia 23 sy ny alakamisy 24 aprily ho avy izao.
Ny andro voalohany ho hanatanterahany ny "Visite d'État", ka hihaona amin'ny filohampirenena Malagasy Andry Rajoelina ny tenany. Mandritra izany dia hisy ny fanaovan-tsonia amina fifanaraham-piaraha-miasa maromaro. Tsara ny manamarika fa efa maro ireo tetikasa sitrahin'i Madagasikara vatsian'ny Fanjakana Frantsay vola, amin'ny alalan'ny Union Européenne (UE) sy ny Agence Française de Développement (AFD).
Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoana ihany koa ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra amin'ireo mpandraharaha sy tanora mpitarika Malagasy. Eo amin'ny lafiny Kolontsaina kosa, hitsidika ny Rovan'i Madagasikara eny Manjakamiadana ny filohampirenena Frantsay Emmanuel Macron sy ny vadiny, Brigitte Macron.

Fihaonambe COI

Ny alakamisy 24 aprily no ivon'ny fihaonambe COI eto Madagasikara, eny amin'ny CCI Ivato Antananarivo. Firenena 5 eto amin'ny Ranomasimbe Indiana no mandray anjara, ka mitarika ny delegasiona avy ao amin'ny Nosy La Réunion ny Filoha Frantsay. Ankalazaina amin'io fihaonana io moa ny faha-40 taonan'ny COI, ka hisy ny jery todiky ny asa vita nandritra ireo taona maro ireo.
Manamafy ireo mpitandro ny filaminana eto Madagasikara, amin'ny alalan'ny EMMONAT, fa ho hentitra ny fitandrovana ny fandriampahalemana. Efa maty paika ireo fandaminana samihafa. Ho ambenana manokana ireo toerana handraisana vahiny, toa ny eny amin'ny Lapan'Iavoloha, Lapan'Andafiavaratra, Rova Manjakamiadana sy CCI Ivato. Hisy ihany koa ny lamina amin'ny fifamoivozana mandritra ny 2 andro.

Lire la suite

Articles Similaires