• Cours de change
  • 5044.1 AR
  • |
  • $4464.77 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
Vaovao

Thiera Bruno : Feno 71 taona ilay Kintan'ny Kanto Malagasy

21/04/2025 07:34 © Moov

Anisan'ireo raiben'ny Kanto Malagasy i Thiera Bruno Andriamaro. Mankalaza ny faha-71 taonany androany 21 aprily 2025 ny tenany.

Na ireo tanora vao erotretony aza dia mahay ny hiran'i Thiera Bruno, na dia ilay hoe "tianao va ny hiaraka amin'ahy... malaky àry moa" fotsiny aza. Mpanakanto tsy lefy laza raha ny tenany, satria mambabo ny rehetra ny mozika gasigasy atolony.

Mpanakanto manan-talenta

Vao 10 taona monja i Thiera Bruno, izany hoe tamin'ny taona 1964, dia efa nitrandraka ny talentany. Ny "Vakodrazana" no nanombohany nihira, ka nandray anjara tamina fifaninanana nandraisan'ireo mpianatry ny EPP anjara ny tenany. Teo amin'ny lapihazon'ny Tranompokon'olona Isotry no nisehoan'i Thiera Bruno sehatra voalohany. Mpikambana tao amin'ny tarika "Ny Railovy" ihany koa ny tenany, ary izany no tena nampalaza azy teto Madagasikara.
Hiram-pitiavana no tena nifantohan'i Thiera Bruno. Anisan'ireo hira tena be mpankafy ny "Ity hirako ity", "Ravoromanidina", "Mila namana", "Tsipolitra" sy "Tsy laitra". Nihira tamin'ny teny frantsay ihany koa ny tenany, toy ny "Seul dans la nuit".

Mpanakanto mendrika

Latsa-dranomaso i Thiera Bruno satria nihetsi-po tokoa rehefa notolorana ny "Trophée d'honneur" nandritra ny lanonana RDJ Mozika 2025, ny 9 febroary lasa teo. Nahateny fisaorana ny tenany, na dia somary sahirana aza miresaka noho ny fahatapahan'ny lalandrà nahazo azy. Tsiahivina mantsy fa voan'ny AVC i Thiera Bruno tamin'ny taona 2020. Avotra soa aman-tsara izy saingy namela takaitra ho azy izany.
Rehareha tokoa ny mbola manana azy amin'izao taona 2025 izao. Na ireo onjam-peo sy fahitalavitra eto an-toerana aza moa dia mbola mandefa ny hirany hatrany. Namokatra mpanakanto i Thiera Bruno, satria efa iaraha-mahalala fa artista ny zanany : Thiera Kougar.

Ity hirako ity

"Ity hirako ity dia atolotro Anao,
Hatsiarovanao ny anarako
Raha ho lasa any ianao ka ho lavitra ahy,
Veloma mandrapihaona.
Aza adino lalan-dava fa mpinamana isika,
Tsy mba nifankafoy tely.
Mpizara alahelo, mpizara hafaliana
Izaho sy lanao, hatramin’izao.

Very namana aho nilaozanao
Ka iza indray izao no antenaiko
Hilazako ny manahirana ahy
Hisolo ny toeranao"

Lire la suite

Articles Similaires