• Cours de change
  • 5044.1 AR
  • |
  • $4464.77 AR
Copyright Image : © Lavie
Image
Vaovao

Fiangonana Katolika : Nodimandry ny Papa Fransoa, Ray Masina nitsinjo ny maha-olona

21/04/2025 12:57 © Moov

Misaona ny fiangonana Katolika manerantany. Nodimandry androany 21 aprily ny Papa Ray Masina, Fransoa, teo amin'ny faha-88 taonany.

Tamin'ny 7 ora maraina sy 35 minitra, oran'i Vatican, no niala ny fofon'ain'ny Papa Fransoa tao amin'ny fonenany Casa Santa Maria Vatican. Voalaza fa niharatsy indray ny toe-pahasalamany ka niafara tamin'ny fahafatesany. Volana maromaro moa ny tenany izay no efa niady tamin'ny aretina.

12 taona naha-Papa Ray Masina

10 taona mahery no naha-lehiben'ny Eglizy Katolika sady naha-mpitondra an'i Vatican ny Papa Fransoa (13 marsa 2012 # 21 aprily 2025). Avy any Argentine ny tenany, ary Jorge Bergoglio no tena anarany.

Ny kardinaly "Camerlengue" Kevin Farrel no nandefa ny filazana ny maraina teo. Voalaza tao anatin'izany indrindra fa nampianatra ny fiangonana katolika hiaina ny Evanjely amin'ny fahatokiana sy fitiavana ny Papa Fransoa, ary nataony indrindra izany mba ho fitsinjovana ireo mahantra sy fadiranovana manerantany. Araka izany, tsy ny fitondrana ny fireneny sy ny fiangonana ihany no nimasoan'ny Papa Fransoa. Nanohana tetikasa maro misy fiantraikany mivantana amin'ny ara-tsosialy ny tenany. Nitsinjo tanteraka ny maha-olona io Papa Ray Masina io hatramin'izay nanolorany tena tamin'ny asa fanompoana. Nanome lanja sy namporisika ny fifandeferana sy ny fifampiresahana ihany koa ny tenany, manoloana ireo ady samihafa.
Nisokatra tamin'ireo mpino hafa rehetra manerantany ihany koa ny Papa Fransoa, noho ny fankatoavany ireo teboka lehibe nivohitra tamin'ny "Concile Vatican II". Ny fiombonan'ny kristiana rehetra sy ny fanavaozana ny fombam-pivavahana ho tsotra kokoa no anisan'ny tapaka tamin'izany. Tamin'ny taona 2022, nitarika lamesa ho fahatsiarovana ny faha-60 taona nanombohan'ny "Concile Vatican II" ny Papa Fransoa, tao amin'ny Basilique Saint-Pierre tany Roma. Azo lazaina fa nampifanditra azy tamin'ireo "Conservateurs" izany fivelarany sy fanalalahany kokoa ny ara-pivavahana Katolika izany.

Papa efa nitsidika an'i Madagasikara

Nahazo tombony manokana i Madagasikara satria efa nisitraka ny fitsidihan'ny Papa Fransoa. Tsiahivina fa nijanona teto Antananarivo ny tenany nandritra ny telo andro, ny volana septambra taona 2019. Notsidihany manokana ny teny amin'ny Akamasoa, sady efa mpiara-manompo rahateo ny tenany sy ny Mompera Pedro Opeka. Nifanindran-dalana tamin'ny fankalazana ny faha-30 taonan'ny Akamasoa indrindra izany fandalovan'ny Papa Fransoa izany.

Mandra-pifidy ny Papa Ray Masina vaovao, ny Kardinaly "Camerlengue" Kevin Joseph Farrell aloha no miantsoroka ny asan'ny Papa ao Vatican sy eo anivon'ny Eglizy Katolika manerantany.

Lire la suite

Articles Similaires