• Cours de change
  • 5044.1 AR
  • |
  • $4464.77 AR
Copyright Image : © Imf
Image
Vaovao

Toekarena manerantany : Mandray anjara amin'ny "Spring Meetings" i Madagasikara

21/04/2025 18:35 © Moov

Nosokafana androany alatsinainy 21 aprily ny "Spring Meetings" tany Washington. Tsy inona izany fa fivoriambe karakarain'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) sy ny Filankevim-pitantanan’ny Vondron’ny Banky Iraisampirenena.

Anisan'ireo firenena misitraka fanampiana sy fampindramam-bola avy amin'ny FMI sy ny Banky Iraisampirenena i Madagasikara. Marobe ireo tetikasa amin'ny sehatra isan-karazany no miankina amin'izany tohana izany.

Fifanakalozan-kevitra

Isan-taona dia mikarakara fihaonana sy atrikasa manokana ireo tompon'andraikitra ambony misahana ny ekonomia ny FMI sy ny Banky Iraisampirenena. Mandray anjara amin'izany ireo minisitra misahana ny toekarena sy fampandrosoana, ireo governoran’ny Banky Foibe, ireo mpitarika avy amin’ny sehatra tsy miankina, ireo solontenan’ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpahay siansa. Ny tanjona moa dia ny fifanakalozan-kevitra momba ireo tombontsoan’ny firenena tsirairay, toy ny toetry ny toekarena manerantany, ny fampandrosoana ara-toekarena, ary ny fahombiazan’ny fanampiana. Marihana fa izany rehetra izany dia natao mba hanafoanana ny fahantrana.
Ho an'i Madagasikara manokana, mitarika ny delegasiona Malagasy ny Minisitra amperin'asa roa, dia 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘵𝘢𝘯𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢, Rindra Rabarinirinarison, sy ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘯𝘵𝘰𝘭𝘰 𝘪𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘓𝘰𝘷𝘢𝘪𝘯𝘫𝘢𝘧𝘺, Max Fontaine. Any New York ihany koa ny 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘰𝘳𝘢𝘯'𝘯𝘺 𝘉𝘢𝘯𝘬𝘺 𝘍𝘰𝘪𝘣𝘦𝘯'𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, Aivo Randrianarivelo, sy ny 𝘈𝘮𝘣𝘢𝘴𝘢𝘥𝘢𝘰𝘳𝘰𝘯'𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘴𝘺 𝘮𝘰𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘺 𝘌𝘵𝘢𝘻𝘰𝘯𝘪a, Lanto Rakotomalala. Miompana amin’ny sehatry ny asa « 𝒍’𝒆𝒎𝒑𝒍𝒐𝒊 : 𝒍𝒂 𝒗𝒐𝒊𝒆 𝒅𝒆 𝒍𝒂 𝒑𝒓𝒐𝒔𝒑𝒆𝒓𝒊𝒕é » moa ny lohahevitra amin’ity fihaonana 2025 ity. Amin'ny 26 aprily moa vao hifarana ny Spring Meetings.

Fitohizan'ny fiaraha-miasa

Nihaona tamin' Andriamatoa Adriano UBISSE izay Mpandrindra ny Vondrona Afrika 1 (AFG1), eo anivon'ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI), ny delegasiona Malagasy androany.
Namerina indray ny fankasitrahany ny Tahirimbola Iraisam-pirenena, amin'ny anaran'ny Governemanta Malagasy, ny Minisitra Rindra Rabarinirinarison. Manan-danja loatra mantsy ny nahazoana ny famatsiam-bola mitentina 103 tapitrisa dolara tamin'ny volana febroary 2025 lasa teo sy ny fahavitan'ny fitsirihana faharoan'ny FEC sy FRD.

Lire la suite

Articles Similaires