Eglizy Katolika : Ireo fombafomba atao rehefa misy Papa Ray Masina maty
Ireo tsara ho fantatra mikasika ireo fombafomba isan-karazany ataon'ny Eglizy Katolika rehefa nodimandry ny Papa.
Fanambarana ny fahafatesan'ny Papa
Rehefa nodimandry ny Papa, ny dingana voalohany atao dia ny fanamafisana fa nodimandry tokoa izy. Ny mahazatra, dia ny "Camerlingue" no manao izany, izay mikasika ny handrin'ny Papa amin'ny tanany ary miantso ny anarana Batemin'ny Papa in-telo. Natsahatra anefa io fomba io, ary ankehitriny ny mpitsabo ihany manao fanamafisana fa nodimandry tokoa ny Papa.
N𝐲 "Camerlingue" 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐧𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐭𝐞𝐬𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚, toy ny nataon'ny 𝐊𝐚𝐫𝐝𝐢𝐧𝐚𝐥 𝐊𝐞𝐯𝐢𝐧 𝐅𝐚𝐫𝐫𝐞𝐥𝐥 ny maraina teo.
Asiana tombokase ny trano sy biraon'ny Papa
Rehefa voamarina ny fahafatesany, ny Camerlingue dia manisy tombokase ny tranon'ny Papa sy ny biraony. Ity hetsika ity dia maneho ny fiafaran'ny fitondran'ny Papa ary manampy amin'ny fisorohana izay mety ho fandrobana na fidirana tsy nahazoana alalana amin'ny fananan'ny Papa ao an-tranony.
Karakaraina ny vata-mangatsiakan'ny Papa
Ny nofo-mangatsiakan’ny Papa nodimandry dia karakaraina manokana, ampanaovina ny fitafiana sy firavaka maha-Papa azy sns, alohan’ny hametrahana azy ampahibemaso ao amin’ny Basilikan'i Md Piera, mba hahafahan’ny olona rehetra na ny mpino Katolika na finoana hafa na mpitondra firenena maro manome voninahitra azy sy mivavaka ho an'ny fanahiny.
Miditra amin'ny fisaonana ny Eglizy
Rehefa vita ireo dingana ireo, dia manomboka ny vanim-potoana fisaonana (𝐒𝐢𝐯𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨 antsoina hoe 𝐍𝐨𝐯𝐞𝐧𝐝𝐢𝐚𝐥𝐞). Mandritra izany fotoana izany dia misy Lamesa maro atao ho fanomezam-boninahitra ny Papa izay nodimandry. Misaona ny Eglizy manerantany noho ny fahalasan'ny Papa iray.
Amin'izao nahalasanan'ny Papa François izany, androany 21 aprily amin'ny 8 ora alina (ora any Roma) no hitarihan'ny 𝐊𝐚𝐫𝐝𝐢𝐧𝐚𝐥𝐲 𝐊𝐞𝐯𝐢𝐧 𝐅𝐚𝐫𝐞𝐥𝐥, ny lamesa sy ny ritoaly voalohany.
Fandevenana ny Papa
Ny fotoam-pandevenana dia matetika atao eo anelanelan'ny efatra ka hatramin'ny enina andro aorian'ny fahafatesana. Eo amin’ny kianjan’i Md Piera no hanaovana ny lamesa fandevenana io ary anatrehan’ny olona manankaja manerantany sy ny Mpino Katolika. Alevina ao amin’ny Basilika Md Piera na toerana hafa voatondro nofidiany talohan’ny nahafatesany ny Papa. 𝐈 𝐏𝐚𝐩𝐚 𝐅𝐫𝐚𝐧ç𝐨𝐢𝐬 moa dia efa nilaza 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐫𝐢𝐚𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐥𝐞𝐯𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐁𝐚𝐬𝐢𝐥𝐢𝐤𝐚 "𝐒𝐚𝐧𝐭𝐚 𝐌𝐚𝐫𝐢𝐚 𝐌𝐚𝐠𝐠𝐢𝐨𝐫𝐞" (𝐒𝐚𝐢𝐧𝐭𝐞 𝐌𝐚𝐫𝐢𝐞 𝐌𝐚𝐣𝐞𝐮𝐫).
Vanim-potoana "Interregnum"
Mandritra io vanim-potoana fantatra amin'ny anarana hoe Interregnum, dia tsy misy fanapahan-kevitra lehibe azo raisina raha tsy misy Papa vaovao. Ny Camerlengue sy ny Fivondronan'ny Kardinaly no mitantana mandritra io fotoana io (andro vitsivitsy io) saingy tsy mandray fanapahan-kevitra lehibe mahakasika ny fitantanana ny Eglizy.
Fifidianana ny Papa vaovao
Ny "𝐂𝐨𝐧𝐜𝐥𝐚𝐯𝐞", hifidianana ny Papa vaovao, dia atao eo ho eo amin'ny 15-20 andro aorian'ny nahafatesan'ny Papa teo aloha. Ny Kardinaly latsaky ny 80 taona ihany no mahazo mifidy amin’ny fivoriana miafina atao ao amin’ny Chapelle Sixtine mandra-pahazoan’ny kandidà iray ny roa ampahatelon’ny vatom-pifidianana.
Misy famantarana alefa aorian'ny fifidianana ataon'ireo Kardinaly afaka mifidy ireo toy ny: fandoroana vatom-pifidianana miaraka amin'ny setroka famantarana: setroka mainty raha mbola tsy misy Papa voafidy. Setroka fotsy kosa no miseho rehefa mahazo Papa Vaovao ny Eglizy. Maro ireo Kristianina aty ivelany no miandry sady mivavaka. Vita izany dia misafidy ny anarana ho entiny ny Papa ary aseho amin'ny mpino rehetra eo amin'ny Basilikan'i Md Piera.