• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dgsr Madagascar
Image
Vaovao

Fitaterana : Nahazo foibe fitsarana fiarakodia ny ao Arivonimamo

01/05/2026 15:57 © Moov

Tsy voatery miakatra any Tsiroanomandidy na aty Antananarivo intsony ireo olona manana fiara, ao amin’ny Distrikan'Arivonimamo sy ny manodidina rehefa hitsirika izany. Notokanana, omaly alakamisy 30 aprily, mantsy ny Ivon-toerana fitsarana fiarakodia (Centre de sécurité routière) Arivonimamo, ato anatin'ny Faritra Itasy.

Ivon-toerana fitsarana fiarakodia faha-25

Efa maro ireo Distrika efa manana foibe fitsarana fiarakodia. Ity ao Arivonimamo ity no faha-25 tantanan'ny Foibe fitsarana fiarakodia (Direction générale de la sécurité routière DGSR) manerana ny Nosy. Araka izany, mihena ny fahasahiranan’ireo manan-draharaha mikasika ny fananany. Heverina ihany koa fa hampihena ny mety ho loza eny amin’ny lalana ny fisian’izy ity satria ho voatsirika ara-potoana avokoa ny fiara, ao Arivonimamo, sy ireo tanàna manodidina, manomboka izao.
Zava-dehibe ny fananana itony ivon-toerana itony. Tonga nanome voninahitra sy nitarika ny lanonana araka izany, ny Jeneraly Zipa Jean Hubert, Sekretera Jeneraly ny Ministera delegué misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Mamelison Mbina Nonos, Komandy ny Zandarimariam-pirenena sady Filoha ny filan-kevi-pitantanan'ny Foibe fitsarana fiarakodia ary ny Jeneraly NIXOR Tsitambala, Tale jeneraly ny Foibe fitsarana fiarakodia. Nanotrona izany ihany koa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ao amin'ny Faritra Itasy sy ny Distrikan'Arivonimamo ary ireo vondron'ny mpitatitra sy ireo mponina teo an-toerana.

Hamafisina ny fitsirihana eny amin’ny lalana

Tanjon’ny DGSR hatramin’izay ny fampihenana na fanafoanana tanteraka ny mety ho loza eny amin’ny lalana. Ankoatra ity toerana ity araka izany, dia hamafisina ihany koa ny fitsirihana ireo fiara, eny amin’ireny lalana rehetra ireny. Hidina eny an-kianja ireo teknisianina (verificateurs techniques automobile) hanamafy ireo fepetra efa noraisin'ny Foibe fitsarana fiarakodia amin'ny fanaraha-maso ireo fiara mifamoivoy. Tanjon’izany ny hisorohana mialoha ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny tsy fahatomombana ara-teknika sy ireo fiara ahiana hitera-doza ary ny fitsirihana ara-teknika tampoka (contrôle inopiné) amin'ny lalam-pirenena voalohany (RN1). Izany dia hiarahana misalahy aminireo mpiantsehatra amin'ny fitaterana (ATT) sy ny mpitandro filaminana (Polisy sy Zandary) ary indrindra ny fanentanana sy fanabeazana ireo mpampiasa lalana rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires