• Cours de change
  • 5138.92 AR
  • |
  • $4425.46 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Nationale

Tsy hisy fanovana ny tetibolam-panjakana 2023

08/06/2023 15:22 © Moov.Mg

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly fa tsy hisy ny fanovana ho atao mahakasika ny tetibolam-panjakana 2023.

Saika isan-taona dia misy hatrany ny fanovana ny tetibolam-panjakana. Ho amin’ity taona 2023 ity dia tsy hisy anefa izany. Nitondra fanazavana mahakasika izany fanapahan-kevitra izany ny teo anivon’ny filan-kevitry ny ministra.

Fihatoan’ny fampiasam-bolam-panjakana

« Ny fandrafetana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana dia mitaky ny fanajanonana ao anatin’ny fotoana voafetra ny fampiasam-bolam-panjakana satria ialina raiketina ny antontan’isa avy ao ami’ny lalàna mifehy ny teti-bola izay iasana ankehitriny ka afindra mankao amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana asiam-panitsiana. » araka ny fanazavana nentina teo anivon’ny filan-kevitry ny ministra omaly. Etsy andaniny anefa dia efa mandroso lalina ao anatin’ny fotoam-piasana ny fanjakana koa noho izany tsy afaka ny hanajanona ny fampiasam-bola izay efa mandeha ankehitriny intsony. Mety hiteraka fahatarana ao anatin’ny fanatanterahana ireo fandaharan’asa efa napetraka manko izany.
Raha misy ministera na andrim-panjakana mila manao fangatahana vola fanampiny amin’ny teti-bola izay ananany dia afaka irosoana izany amin’ny alàlan’ny fandraisana didim-panjakana mandritra ny filankevitry ny Governemanta. Araka ny nampahafantarina nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly hatrany dia mbola 48% ny tahan’ny fampiasam-bolam-panjakana ny 02 jona farany teo. 52% ny tetibola no mbola afaka ampiasaina mandrapahatogan’ny faran’ny taona.
Raha ny projet d’investissements publics indray kosa dia mbola mis 90% no azo ampiasaina hatramin’ny faran’ny taona, raha toa ka vao 10% fotsiny no efa voatokana ho laniana hatreto.

Azo atao ny mandamina ny fampisam-bola

Ankoatra ny fahafahana miroso amin’ny famoahana didim-panjakana dia azo ataon’ny ministera tsirairay ihany koa ny mandamina ny fampiasam-bolany araka ny lalàna. Namafisina nandritra ny filan-kevitry ny ministra ary fa « ny sora-bola misoratra anaty tetibolam-panjakana dia azo ahetsika ao anatina ministera iray na eo amin’ny ministera samihafa, araka ny fepetra takian’ny andininy faha-19 ao amin’ny lalàna 2004 – 007 ny 24 jolay 2004 momba ny fitantanam-bolam-panjakana ». Ny fanampiana ara-bola voaray kosa dia fantatra fa tsy mitaky ny fanovana ny lalàna mifehy tetibolam-panjakana asiam-panintsiana intsony satria efa misoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola tany am-piandohana (LFI) izany.
Ny fanaovana ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana asiam-panintsiana ihany koa dia mitaky ny fampifanarahana ny harikarena eto Madagasikara amin’ny harikarena faobe aty Afrika sy maneran-tany. Voakasik’izany fampifanarahana izany ireo karazana fifanarahana amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenana fa indrindra ny tahirim-bolam-panjakana irasam-pirenena. Raha miroso amin’ny fanaovana lalàna mifehy ny tetibola asiam-panitsiana, araka izany dia mety hitarika fihenan’ny vinavinan’ny vola hiditra sy ny vola hivoaka eto amintsika izany satria mihiba io harikarena faobe io ankehitriny.

Lire la suite

Articles Similaires