Ady amin’ny SIDA : Miantso ny hanomezana andraikitra ny herivelona rehetra ny ONUSIDA
Araka ny antontan’isa dia olona iray isa-minitra no mamoy ny ainy vokatry ny aretina Sida, maneran-tany. Tao anatin’ny tatitra vao navoakany, ny rantsamangaikan’ny Firenena Mikambana miady amin’ny VIH/SIDA (ONUSIDA) dia miantso ny amin’ny tokony hampidirana ireo mpitarika eny anivon’ny fiaraha-monina amin’ireo fandaharan’asa rehetra miompana amin’ity aretina ity.
Tsy mahasahy mitily
Marihina isaky ny 1 desambra toy izao ny andro eran-tany iadiana amin’ny VIH/Sida. Raha ny tombana tamin’ny taona 2022, dia manodidina ny 42.000 ny isan'ny olona miaina miaraka amin'ny tsimokaretina VIH/SIDA eto Madagasikara. Rehefa natao anefa ny fitiliana dia manodidina ny 9.000 isa no voamarina fa mitondra ity tsimokaretina ity eto amintsika, izany hoe : misy elanelana be ny tombana sy ny zava-misy, hoy ny avy ao amin'ny komitim-pirenena miady amin'ny Sida (SE-CNLS ). Araka izany, mila fanentanana bebe kokoa ny olona mba hazoto sy ho sahy hanao fitiliana. Mety ho tratran’ity aretina ity avokoa mantsy ny olona rehetra, hoy ny Pr Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Misy 13 taona mantsy ny ankizy ankehitriny dia efa manao firaisana ara-nofo.
Mitovy amin'ny olona rehetra ihany
Adidin’ny ray aman-dreny, hoy hatrany ny Minisitra, ny mampahalala ny zanany ny momba ny fahasalamana ara-pananahana. Ireo efa fantatra kosa fa mitondra ny tsimokaretina, dia noentaniny manokana mba hanaraka fitsaboana an-tsakany sy an-davany. Rehefa mahavatra mihinana ny fanafody sy voaray an-tanana ara-pitsaboana mantsy ny olona mitondra ny VIH, dia afaka miaina mitovy amin'ny olona rehetra ihany. Raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2022 hatrany dia efa mihinana fanafody "antirétroviraux" na ARV avokoa ny 98%-n'ireo olona fantatra fa miaina miaraka amin'ny VIH eto amintsika. Ady iraisana ary tsy manavaka saranga na sata ara-tsosialy ny aretina Sida, hoy Haja Randriantsara, sekretera mpanatanteraky ny SE-CNLS. Ain’olona no tandindomin-doza ary fianakaviana no voakasika, araka ny filazany, ka mila amafisina ireo fandaharan’asa momba ny VIH/SIDA, na miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana.
Drafitra andraisan’ny rehetra anjara
Ny ONUSIDA kosa dia manipika fa tokony hanana ny toerany ao anatin’ireo drafitra sy fandaharanasa mikasika ny ady amin’ny SIDA ireo herivelona sy mpitarika eny anivon’ny fiarahamonina. Izany no isan’ny fanapahan-kevitra lehibe tokony horaisina, raha tiana ny hamongorana ity aretina ity amin’ny taona 2030, araka ny tanjon’ny Fampandrosoana Lovain-jafy (ODD). Tsy afaka ny hahavita na inona na inona ihany koa anefa ireo firaisamonim-pirenena, fikambanana, vondron’olona ifotony eny anivon’ny fiarahamonina…, raha tsy misy ny famatsiam-bola atokan’ny Fanjakana sy ny mpamatsy vola ho azy ireo. Izany ihany koa no anaovan’ny ONUSIDA adisisika, ao anatin’ity tatitra navoakany ity, mba hampahomby ny ady amin’ny VIH/SIDA.