• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Météo : Handravarava ny faritra Avaratra sy Atsinanana ny rivodoza Gamane

26/03/2024 12:23 © Moov

Efa nikorontana ny toetry ny andro any amin’ny tapany avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy nanomboka omaly ary hiitatra amin’ny faritra Analanjirofo izany anio Talata. Toamasina aza moa efa dibo-drano. Mbola hihamafy nefa izany ato anatin'ny andro vitsivitsy.

Tsy afa-bela ny faritra Avaratra sy Atsinanana noho ilay androratsy ao amin'ny ranomasimbe indiana. Androany 26 marsa, tamin'ny 5 ora maraina no nahazo ny anarana hoe "Gamane" izy, noho ny fitomboan'ny heriny.
Tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny 150 Km avaratra atsinanan’i Vohemar no nisy ny foiben'ny rivodoza Gamane. Niakatra ho Forte Tempête Tropicale ny sokajy misy azy ka 90 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra mahatratra 125 Km/ora.

Miha-manantona an'i Madagasikara

Mikisaka miadana mianavaratra Andrefana izy ka mahafaka 05 Km/ora. Raha ny antontan-kevitra sy ny fironana farany dia ahiana hivoatra akaiky na hipaka amin’ny morontsirak’i Sava i GAMANE rahampitso tolakandro na ny alina amin’ny tanjaka Cyclone Tropical (150 Km/ora ny rivotra hiaraka aminy).
Ahiana araka izany ny tondra-drano sy fihotsahan’ny tany sy lalana amin’ireo faritra marefo nohon’ny rotsakorana hikija entiny (mihoatra ny 80mm/24 ora) hatramin’ny Alakamisy 28 Marsa 2024. Ahiana ihany koa ny fiakaran’ny ranomasina amin’ny morontsirak’i Sava manomboka rahampitso Alarobia 27 Marsa 2024.

Fampitandremana

Filazana fampitandremana miloko mavo : Diana, Sava ary Analanjirofo
Entanina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Antsiranana sy Mahanoro mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza tanteraka. Iangaviana ihany koa ny mampiasa ranomasina eo anelanelan’i Analalava sy Antsiranana mba hitandrina mafy satria mety hikorontana ny toetry ny andro. Tsara raha arahina hatrany ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony, mba hisorohana ny loza.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo