• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Minjus
Image
Vaovao

Fitsarana ara-bola : Manana ny maha-izy azy, antoky ny Fanjakana tsara tantana

26/03/2024 13:24 © Moov.Mg

Tsy ny fitsarana mitsara adiheloka sy managadra ihany no manan-danja, fa manana ny maha-izy azy ihany koa ny fitsarana mitsara ny volam-panjakana. Isan’ny antony nikarakarana ny fikaonan-dohan’ireo Mpitsara ara-bola, omaly tany ampefy, izany.

Fahaiza-mitarika sy fitantanana

Mila fantarina ny momba ireny volam-panjakana ireny, raha nanaraka ny lalàna ny nandanian’ny tompon’andraiki-panjakana azy ireny, hoy ny Minisitry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Izany no ilàna ny « Cours des Comptes » sy ny « Tribunal Financier », hoy izy, nandritra ny andro fikaonan-doha ho an'ny Lehiben'ny Sampam-pitsarana ara-bola manerana an'i Madagasikara sy ny Filohan'ny Fitsarana ny Fitantanana ny Volam-panjakana ary ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon'ny Fitsarana ny Fitantanana ny Volam-panjakana, omaly. Lohahevitra nanompanana ny fikaonan-doha ny hoe : « Ho an’ny fahaiza-mitarika sy ny fitantanana ny fiovana eo amin’ireo rafi-pitsarana momba ny vola » (pour un leadership et une gestion du changement au sein des juridictions financières).

Fampitoviana fomba fijery

Mitsara ny fitantanana sy ny fampiasana ny Volam-panjakana eny anivon'ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, manao fitsirihana mifototra amin’ny fanarahan-dalàna sy fitantanam-bola, misahana ny fanaraha-maso ny tetibola, ary manome tolo-kevitra, ireo no asan'ny Mpitsara ara-bola. Ny Mpitsara ny Fitantanam-bolam-panjakana no mitsara ny fandaniambolam-panjakana, izay voarakitra ao amin'ny tetibolam-panjakana, ary manolo-kevitra ny fahefana mahefa mikasika ny fanaovana lalàna sy didy aman-dalàna izay mamaritra ny fandaniam-bolam-panjakana. Nandritra ity fikaonan-doha ity dia samy nampahafantra ny laharam-pahamehana sy ny fomba fanatanterahana azy avokoa ny Sampam-pitsarana tsirairay. Nisy ny fifanakalozana traikefa ary avy amin'izany no nanitsiana ny fomba fiasa. Isan’ny nodinihina ny momba ny halefaham-pitsarana (jurisprudence), izay Fomba fitsarana mifototra amin'ny vokatry ny fitsarana teo aloha. Tanjona ny fifanakalozana mba hitovitovy ny fomba hamoahan’ireo Mpitsara ny didim-pitsarana.

Tohin’ny fihaonamben'ny Mpitsara ara-bola, izay natao tany Toamasina tamin'ny taona 2023, ity fikaonan-doha ity. Nanatrika izany ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, izay nanamafy fa tafiditra tanteraka ao anatin'ny fanatanterahana ny Andry Telon'ny Fampandrosoana ity fikaonan-doha ity, dia ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ho amin'ny Fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo