• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

29 martsa 1947 : Nomarihana tamin’ny « Hetsi-pahatsiarovana mitety sekoly », teny Atsimondrano

26/03/2024 14:19 © Moov.Mg

Mbola kely ny ankizy dia efa tsara velomina ao am-pony ny fitiavan-tanindrazana. Isan’ny antony nanatanterahana ny Hetsi-pahatsiarovana mitety sekoly izany, ao anatin’izao fahatsiarovana ny 29 martsa izao.

Hetsika maro karazana

Teny amin’ny amin’ny lisea Joseph Ravoahangy Andrianavalona Andranonahoatra sy teny amin’ny CEG Lieutenant Randriamaromanana Albert Faliarivo Ampitatafika Fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Atsimondrano, no nanatanterahana ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-77 taonan’ny tolom-pahafahana 29 martsa 1947 androany. Tafiditra ao anatin’ny Hetsi-pahatsiarovana mitety sekoly izany, izay iarahan’ny ministeran’ny Foloalindahy sy ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena misalahy amin’ny Fitaleavan’ny Mpiady Tia Tanindrazana, ny komity mpanomana ny Hetsi-pahatsiarovana ny Tolom-panafahana 29 martsa 1947, ny foibe misahana ny fanabeazana maha-olom-pirenena vanona sy ireo rantsa-mangaikany eny ifotony. Tamin’ny endriny maro no nentin’ireo mpianatra nanamarika ny faha-77 taona nitoloman’ireo Mahery fon’ny Firenena, ny Hetsi-pahatsiarovana androny. Isan’izany ny ara-kolo-tsaina, tamin’ny alalan’ny fampisehoana dihy vako-drazana. Najoro ihany koa ny antoko mpihira tao amin’ny lisea, izay nomena ny anarana hoe : « Fitiavan-tanindrazana ». Nisy efi-trano iray namboarina ho toy ny mozea kely, nampahafantarana ireo mpianatra ny mombamomba ny 29 martsa 1947.

Ho an’ny Tanindrazana

Samy nanamafy ny amin’ny tokony hamoazana ao am-pon’ny ankizy sy ny tanora ny fitiavan-tanindrazana, dieny mbola kely, ireo nandray fitenenana. « Matoa miezaka sy mitozo amin’ny fianarana dia mieritreritra ny hitondra an’i Madagasikara ho any amin’ny fampandrosoana », hoy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Antsimondrano, Alain Ratsimbazafy. « Ezaho fantarina ny tantara, fa ny fahafantarana ny tantaran’i Madagasikara no manosika isan’andro mba handray andraikitra, hanolo-tena ary hikatsaka hatrany ny hahasoa ny firenena », hoy hatrany izy. « Tena tsara ny hampahatsiarovana ny ankizy fa misy ny atao hoe : Tanindrazana, misy ny atao hoe : firenena », hoy Rasamison Hajanirina, Ben’ny tanànan’Andranonahoatra, izay te hanaitra ireo tanora mpianatry ny lisea mba tsy ho varimbariana. « Tolom-panafahana, Fitiavan-tanindrazana, Fampandrosoana ! », moa no lohahevitra nitondrana ny fotoam-pankalazana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo