• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Oms
Image
Vaovao

Toetry ny andro : Mbola ahiana ny fiforonan’ny rivo-doza, amin’ny faran’ny herinandro

24/04/2024 11:21 © Moov.Mg

Mbola tsy tapitra tanteraka ny vanim-potoanan’ny fahavaratra eto Madagasikara, na dia efa nandalo fotoana nidinan’ny mari-pana aza isika tamin’iny herinandro lasa iny. Mbola ahiana ny mety hisian’ny rivo-doza hanakaiky antsika amin’io herinanro ho avy io, raha ny vinan’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro.

Any avaratra atsinanana

Raha ny tomban’ity herinandro ity, nanomboka ny 22 hatramin’ny 28 aprily 2024, dia tsy misy atahorana ny mety hisian’ny andro ratsy manakaiky an’i Madagasikara, raha ny fampitam-baovaon’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro. Na izany aza anefa dia fantatra fa mety hisy fiforonana rivo-doza ao avaratra atsinanan’i Madagasikara amin’ny faran’ny herinandro izao. Araka izany, vinavinaina ny hisian’ny rivo-doza manakaiky ny Nosy eo anelanelan’ny 29 aprily hatramin’ny 05 mey 2024. Tombanana ho mety ho voakasik’izany ny distrikan’Antsiranana, Ambilobe, Nosy Be, Ambanja, Vohemar, Sambava, Antalaha ary Andapa. Misy fanahiana kely ihany koa ny mety hisian’ny rivo-doza hanakaiky ny Distrikan’i Maroantsetra, Mananara Avaratra, Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Toamasina, Analalava, Bealanana, Antsohihy, Befandriana avaratra ary Mandritsara.

Maloto ny rivotra

Dieny izao, ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, dia efa manentana sahady ireo mponina any amin’ireo Distrika ahiana ho voakasika ireo, mba hanaraka akaiky ny mety ho fivoaran’ny toetry ny andro, indrindra manomboka amin’ny faran’ity herinandro ity. Amin’ny ankapobeny moa, manerana an’i Madagasikara, dia mbola mijanona mafana hatrany ny andro amin’ny antoandro. Hisy hatrany kosa ny zavona amin’ny maraina, ho an’ny afovoan-tany, indrindra ho an’ny androany sy ny rahampitso. Ho an’Antananarivo manokana dia tsikaritra fa nahitana fiakarana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra, tamin’ny faran’ny herinandro teo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo