• Cours de change
  • 4740.83 AR
  • |
  • $4417.35 AR
Copyright Image : © Meteo Madagascar
Image
Vaovao

Toetry ny andro : Misy tangoron-drahona arahi-maso ao avaratra andrefan’i Madagasikara

29/04/2024 14:13 © Moov.Mg

Malomaloka ny andro androany alatsinainy ary tsapa nihanihena ny mari-pana, amin’ny ankapobeny. Tsy mbola ilay andro ratsy novinavinaina tamin’ny faran’ny herinandro laa teo, fa mety hiforona anefa akory no mahatonga izany.

Tsy nitombo hery

Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Foibe famantarana ny mety ho Toetry ny Andro eto Madagasikara dia misy tangoron-drahona arahi-maso akaiky ao avaratra andrefan’i Madagasikara ato anatin’ny 3 andro. Any ho any amin’ny 700 na 750 km avaratra somary avaratra andrefan’Antsiranana no misy ny foibeny, androany maraina. Tsy nitombo hery loatra izy io tao anatin’ny 24 ora. Na izany aza, mihamahazo vahana hatrany ny oram-baratra miaraka aminy. Andrasana hatramin’ny alarobia ny herijika mety hivadihany ho rivo-doza. Ao anatin’izany dia mety hizotra hianatsimo ny lalany dia ary mety hahazo ny nosy Kaomoro, raha ny antontan-kevitra eo am-pela-tananan’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, tamin’ny antoandro teo.

Hahazo vahana ny orana

Araka izany, tsy mbola misy fiforonana rivo-doza mananontanona an’i Madagasikara aloha hatreto. Hahazo vahana hatrany kosa ny rotsak’orana any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy, any afovoany atsinanana sy avaratra atsinanana, manomboka any SAVA ka hatrany amin’ny Faritra Atsinanana. Mety hitoetra hatrany izany hatramin’ny alakamisy, ho an’ny Faritra SAVA, Ambatosoa ary Analanjirofo. Mety haherin’ny 40mm ny rotsak’orana, hoy ny fampitandreman’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, ary anentanany ny mponina mba samy ho mailo ka hanaraka ny vaovao momba ny fivoaran’ny toetry ny andro. Any amin’ny Faritr’i Sofia sy DIANA moa dia miankina tanteraka amin’ny lalan’ity faritr’andro ratsy ity ny habetsaky ny rotsak’orana any an-toerana. Tombanana hihena na ho ambany kosa anefa ny mety hisian’izany rotsak’orana izany. Entanina foana moa ny rehetra mba hanaraka hatrany ny toromarika omen’ny manam-pahefana eny ifotony.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo