Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 7 hatramin'ny 13 aprily 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 7 hatramin'ny alahady 13 aprily 2025.
Carlton Anosy # Salon du chocolat et de la gourmandise
Tontosa ny sabotsy 12 aprily lasa teo ny "Salon du Chocolat et de la gourmandise" andiany faha-7. Mampiranty miisa 32 no nandray anjara, izay samy nanolotra vokatra vita avy eto Madagasikara avokoa. Ny sokola sy ireo vokatra isan-karazany azo avy amin'ny Kakao no tena nanintona ireo mpitsidika. Tsara ny manamarika fa anisan'ireo mpamokatra kakao ambony kalitao i Madagasikara. Fandratana avo ny vokatra vita Malagasy no tena tanjon'ireo mpikarakara, ary azo lazaina fa fahombiazana ny hetsika.
Karazana "levée de fonds" io hetsika io, nokarakarain'ny Wednesday Morning Group, hanaovana asa soa ho an'ireo vehivavy mila fanohanana.
Seranampiaramanidina Ivato # Polisy 4 voarohirohy amin'ny kolikoly
Nanao fanaparam-pahefana sy nitaky vola tsy ara-dalàna tamin’ny mpandeha ireo polisy miisa efatra mivondrona anaty ekipa iray izay niasa nandritra ny alin’ny 07 febroary 2025 lasa teo.
Mpandeha iray niondrana amin’ny sidina Ethiopian Airlines hihazo an’i Dubaï no nanao fitarainana. Nisy polisy nitaky vola mitentina 2 000 000 ariary mantsy ny tenany, na dia tomombana avokoa aza ny taratasy teny am-pelatanany. Voarahona tsy afaka miondrana ity mpandeha ity ka voatery nandoa io vola notakiana taminy io tamin’ireto polisy nanao ny fisavana. Nisy ampaham-bola naloa avy hatrany ary nisy ampahany kosa voatery nalefa tamin’ny Mobile money nohon’ny tsy fisian’ny lelavola tany fianakavian’ilay mpandeha. Nifampizaran’izy efatra mianadahy avy hatrany ny vola voaray ary voaporofo nandritra ny fanadihadiana izany.
Fitsarana tampony # Nahavita fianianana ny Tonia mpampanoa lalana ao Toamasina
Notanterahina ny alatsinainy 07 aprily lasa teo ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny Fianianana nataon'ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon'ny Fitsarana Tampony Toamasina, Andriamatoa MOHAMED Abdou Ali. Tao amin'ny Lapan'ny Fitsarana Tampony Anosy Antananarivo no nanatanterahana ny fotoana.
Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis. Mbola ho avy moa ny andro hametrahana azy eo amin'ny toerany eo anivon'ny Fitsarana Ambony Toamasina.
Tontolon'ny nomerika # Atrikasa momba ny rafitra ara-dalàna mifehy ny sonia elektronika
Tontosa ny 11 aprily ny atrikasa fifampiresahana mikasika ny sonia elektronika sy ny fifanaraham-pifandraisana eo amin’ny rafitra informatika, teny amin'ny Le Louvres Antaninarenina. Teboka 3 no tena nimasoana dia ny fiarovana ara-dalàna amin’ny fifanakalozana nomerika, ny fanamorana ny dingana ara-panjakana, ary fananganana tontolo nomerika azo antoka, mampandray anjara ny rehetra ary indrindra maharitra.
« Iaraha-manoratra ny hoavin’ny nomerika eto Madagasikara. Fotoana izao hananantsika lalàna manokana mifandrainka amin’ny nomerika, mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, nefa miorim-paka amin’ny zava-misy eto amintsika. » hoy ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisandavitra nandritra ny fifanakalozana.
Ady amin'ny kolikoly # Nahavita fanambaram-pananana ireo tompon'andraikitra ao amin'ny MJS
Ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no minisitera voalohany nahavita ny fanambaram-pananana, araka ny tatitry ny Bianco. Nanatanteraka izany manomboka amin'ny lehiben'ny sampandraharaha isan-tokony na ny "chef de service" hatrany amin'ny Minisitra Moustapha Marson.
Anisan'ny politika anatin'ny minisitera ny fisian'ny fitantana tsara sy anatin'ny mangarahara. Tsy eto an-toerana moa ny Minisitra fa any New York, mandray anjara amin'ny fivoriamben'ny tanora, any amin'ny Firenena Mikambana.
CUA # Feno 5 taona ny Iarivo Radio
Nankalazaina ny zoma 11 aprily 2025 ny faha-5 taona niorenan’ny Iarivo Radio. Nisongadina tamin’ny lanonana ny fanomezana fitaovana vaovao ho fanamafisana ny asa fanaovan-gazety. Mijoro ho feon’ny vahoaka sy mpiara-miombona antoka amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny Tanàna ny Iarivo Radio, amin’ny alalan’ireo fandaharana manan-danja mifantoka amin’ny fampahafantarana ny lalàna,fanabeazana sy fanentanana, fampandraisana anjara ny mponina amin’ny fiainam-piarahamonina.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramatoa Harilala Ramanantsoa, niaraka tamin’ny Filohan’ny Filankevitra Monisipaly sy ireo solontenan’ny CUA.
Tanjombato # Olona roa nivarotra zava-mahadomelina
Olona roa no voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina tao Tanjombato noho ny fitazonana sy fivarotana "metamphétamine".
Nahazo loharanom-baovao mantsy ireo manam-pahefana fa mivarotra zava-mahadomelina mahery vaika manodidina an'i Tanjombato. Nisy araka izany ny firotsahana an-tsehatra izay nahitam-bokany. Tamin'izany indrindra no nahatratrarana roalahy mbola teo am-pivarotana "méthamphétamine", ary mbola hita teny aminy koa ny fandanjana ireo entana izay amidiny.
Taorian'ny famotorana savaranonando nataon'ny Polisy dia natolotra ny fampanoavana izy ireo ary voatazona vonjimaika eny Tsiafahy.
Mahajanga # Ray nanolana ny zanany naterany vao 7 taona
Miha-mibaribary ireo trangana fifamotorana noho ny fahafainganan'ny fiparitahan'ireo vaovao amin'ny tambazotran-tserasera. Raim-pianakaviana 30 taona no voasambotra noho ny herisetra ara-nofo nataony tamin'ny zanany vavy 7 taona monja. Nanomboka 5 taona izany ilay zazavavikely no nampiharany ny filan-dratsiny, satria naharitra 2 taona ny fanolanana. Raha ny fanazavan'ny fianakaviana dia nisy disadisa teo amin'izy mivady ka nandao ny tokantranony ilay renim-pianakaviana, ary najanony tamin'ny vadiny ilay zazavavikely. Tamin'ny fiverenan'io renim-pianakaviana io no nitaraina mikasika ny fanararaotan-drainy azy ilay Zaza.
Nentina teny amin'ny Centre Vonjy avy hatrany ilay zaza. Noraisin'ny polisy misahana ny herisetra mihatra amin'ny zaza tsy ampy taona ny raharaha. Nosamborina moa ilay raim-pianakaviana ary natolotra amin'ny fampanoavana taorian'ny famotorana izay natao azy.
Sava # Tetikasa Voly vary safiotra ao Antalaha
Velaran-tany midadasika, mirefy 100 ha ao amin'ny distrikan'Antalaha, faritra Sava, no hamokarana masomboly vary safiotra. Tonga nitsidika ireo toerana hanaovana izany ny sekreteram-panjakana eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Ramatoa Tahian'Ny Avo Razanamahefa, ny zoma 11 Aprily lasa teo.
Fantatra fa tanimbary mirefy 50 hektara ao amin’ny fokontany Ambodivoangibe, kaomina ambanivohitr’i Ampohibe, no hisantarana ny famokarana masomboly. Toerana mahafeno ireo fepetra ara-teknika , manana toetrandro sy toe-tany takiana amin’ny famokarana, ary fahafahana misitraka loharanon-drano mivantana. Nohamafisin'ny Sekreteram-panjakana ihany fa iaraha-miasa amin’ny tantsaha eo an-toerana ny famokarana masomboly vary safiotra, izay voafantina sy manana kalitao ambony ary hahazoana taham-bokatra ambony.
Bongolava # Mpivarotra fanafody tsy ara-dalana tao Ankadinondry Sakay
Mpivarotra Fanafody ankalamanjana sady tsy manara-dalana, tonga nitety Tsena tao Ankadinondry-Sakay no nandraisan'ny Ekipa DRIC BONGOLAVA fepetra mba tsy hivarotra izany intsony, ny sabotsy 12 Aprily lasa teo.
Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ny Tsena isaky ny Kaominina eto Bongolava mahakasika io fivarotana fanafody tsy ara-dalana io. Satria tokoa manko dia na ny vovoka, na ny masoandro ihany koa dia mianjady amin'ireny fanafody amidy ankalamanjana ireny. Izany anefa dia hanova ny kalitaon'ny Fanafody izay mety haningotra ny ain'ny Mpanjifa mihitsy raha sanatria tsy misy ny fepetra raisina toa izao. Tsy natao ho an’ny olon-drehetra ihany koa ny fivarotana fanafody fa mila fanomezan-dalana sy traikefa manokana.
Entanina hatrany ny rehetra tsy hanjifa fanafody afa-tsy eny amin’ny Farmasia sy « Dépôt » nahazo alalana ara-dalana.