Tetikasa Magnasoa : Natomboka tamin’ny fizarana fatana mitsitsy miisa 960 tao Taolagnaro
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny alalan’ny fizarana fatana mitsitsy miisa 960 tao amin’ny Kaominina Soanerana, Taolagnaro, ny tetikasa Magnasoa. Tokantrano miisa 960 ihany koa no nisitraka izany voalohany, raha ankohonana miisa 90 000 no tanjona ao amin’ny faritra Anosy.
Fiarovana ny tontolo iainana
73 000 taonina isan-taona ny saribao lanin’ny mponina ao Taolagnaro. Mandripaka ala izany ary manimba ny tontolo iainana. Izany indrindra no anton’ity tetikasa Magnasoa ity. Sady manampy ny tokantrano tsirairay hampihena ny fandaniana no entina hiarovana ny tontolo iainana ihany koa amin’ny alalan’ny fampihenana ny fandripahana ala any an-toerana. Mampihena hatramin'ny 70% ny fandaniana hazo hanaovana kitay na arina mantsy izy, ary manena hatramin'ny 80% ny entona CO2 anaty tontolo iainana ny fizarana ireto fatana ireto ary ihany koa mampihena hatramin’ny 50% ny fandaniana amin'ny fampiasana saribao sy kitay.
Tsara ny manamarika fa fiaraha-miasan'ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) miaraka amin’ny Ministeran'ny Tontolo iainana sy ny Fandroasoana lovainjafy (#MEDD), ary ireo mpiara-miombon’antoka, dia ny « MadAvance » sy ny « SaniTap » no entina manatanteraka izao tetikasa izao.
Hiparitaka amin’ny toerana 2 hafa
Fatana mitsitsy miisa 120 000 no tanjona amin’ity tetikasa Magnasoa ity, ao amin’ny Faritra Anosy. Ankoatra an’i Taolagnaro araka izany dia hisy fizarana ihany koa ao amin’ny Distrikan’Amboasary Atsimo sy Betroka. Misy karazany roa ny fatana ho zaraina, ka misy ny mampiasa kitay, ary misy ny mampiasa arina fandrehitra na saribao. Nambaran’ny Governora fa ity tetik'asa ity izay iarahana amin'ny Faritra Anôsy ity dia mamaly amin'ny ampahany amin' ireo paik'ady napetraky ny Fitondram-panjakana amin'ny hisitrahan'ny tokantrano mihoatry ny 50% fampiasana fitaovana fandrahoana amin'ny angovo madio, manatsara ny fahasalamana sy miaro ny tontolo iainana ny Faritra Anôsy.
Na dia efa eo aza anefa io tetikasa io dia mbola betsaka ny dingana mila tratrarina hahafahana miala tanteraka amin’ny fampiasana saribao sy kitay.