Fiarovana ny baobaba any amin’ny Faritra Andrefana : Nampiditra 172 tapitrisa Ar ho an’ny mponina eny ifotony
Azo tsapain-tanana ny vokatry ny tetikasa Fiarovana ny ala baobaba any amin’ny Faritra Andrefan’i Madagasikara, izay vatsian’ny Fondation Hempel vola, raha ny taona 2024, izay taona faharoa nanatanterahana ny tetikasa, no tombanana.
Ezaka fiarovana ny ala baobaba
Ny taona 2023 no niantombohan’ity tetikasa ity ary haharitra hatramin’ny taona 2028. Famatsiam-bola mitentina 15 millions DKK (manodidina ny 10,25 miliara ariary) no natolotry ny Fondation Hempel avy any Danemark, ho fanohanana ity tetikasa ity, ary ny FAPBM (Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar) no mitantana izany. Voakasiky ny tetikasa manokana ny faritra arovana Andranomena, Kirindy Mitea, Menabe Antimena sy ny Allée des baobabs, izay raha atambatra dia manana velarana manodidina ny 381 000 ha, ka ny 190 000 ha amin’io no ala.
Tamin’iny taona 2024 iny dia nanamafy ny ezaka ho fiarovana ny ala baobaba voakasiky ny tetikasa ny vondrona miandraikitra ny lafiny teknika amin’ity tetikasa fiarovana ny ala baobaba any Andrefan’i Madagasikara ity. Araka izany, 22 544 ny fisafoana ala notanterahina, mba hanaraha-maso tsy tapaka ireo Faritra Arovana. Nisy ihany koa ny fanofanana ireo mpiasa sy vondron’olona ifotony miisa 143, mikasika ny ady amin’ny afo, mba hanamafisana ny fahafaha-miatrika, manoloana izany tsindry mety hahazo ny ala izany.
Manintona mpizahatany
Ahitana karazanjavamananaina tsy manam-paharoa ao amin’ireo ala voakasiky ny tetikasa ireo. Isan’izany ny varika tsy latsaky ny 10 karazana, izay miaina ao anatin’ireo faritra arovana ireo. Tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara avokoa ny 80% amin’ireo biby sy zavamaniry ao amin’ireo faritra ireo, araka ny nambaran'ny FAPBM. Noho izany dia mandray anjara mavitrika amin’ny fanaraha-maso ireo zava-manan’aina ireo ihany koa ireo mpitantanana faritra arovana sy ireo mpiara-miombona antoka isan-tsokajiny, toy ny Madagascar National Parks, ny fikambanana Fanamby ary ny Durrell Madagascar. Nahafahana namantatra bebe kokoa ny mombamomba ny toeram-ponenan’ireo biby sy ireo karazana baobaba telo misy ao anatin’ireo faritra voakasiky ny tetikasa, ny fandraisan’anjaran’izy ireo. Nampiakatra ny lanjan’ny fizahan-tany ara-tontolo iainana any an-toerana ihany koa izany.
Raha fintinina ny vokatry ny asa vita hatreto, dia nahatratra 30 ha ny ala tafaverina amin’ny laoniny ; nihena hatramin’ny 60% ny fahaverezan’ny ala ; ary tafakatra hatrany amin’ny 32% ny mpizahatany avy eto an-toerana tonga nitsidika. Nahazo tombony ihany koa ireo vondron’olona ifotony, satria nahatratra 172 tapitrisa Ariary ny vola niditra tamin’izy ireo, hatramin'ny nanombohan'ny tetikasa, noho ny fandraisan'anjaran’izy ireo tamin’ny asa fiarovana, toy ny fisafoana sy ny fanaovana asa an-tselika.