• Cours de change
  • 5046.36 AR
  • |
  • $4448.45 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Herinandro nasiônaly ho an’ny rano : Hitadiavam-bahaolana mba hisitrahan’ny rehetra rano fisotro madio

14/04/2025 16:46 © Moov.Mg

Ny 40%-n’ny mponina maneran-tany no miaina tsy fahampian-drano amin'izao fotoana izao, noho ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro. Eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny Tahirin’ny firenena Mikambana ho an’ny ankizy, dia olona 2 amin’ny 3 monina any ambanivohitra no tsy mahazo tobin-drano nohatsaraina.

Fa manana olana mikasika izay famatsian-drano izay ihany koa ny mponina an-drenivohitra eto amintsika. Isan’ny antony hanatanterahana ny herinandro nasiônaly ho an’ny rano ny hitadiavam-bahaolana mahakasika izany.

Antitra ny fotodrafitrasa momba ny rano

Ankoatra ny olana ara-toetr’andro, dia isan’ny mitarika olana amin’ny famatsian-drano eto Madagasikara ihany koa ny tsy fahampiana sy ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Andrianamelasoa Lalaina, androany 14 aprily 2025, dia efa tany amin’ny taona 1927 ny paompy antitra indrindra miasa eto Antananarivo Renivohitra. Mila havaozina, araka izany ireo fotodrafitrasa, mba hahatrarana ny tanjon’ny fitondram-panjakana, dia ny fampiroboroboana ny fahazoana rano fisotro madio ho an’ny rehetra. Tafiditra ao anatin’ny tetikasam-panjakana, araka izany, ny fanavaozana tanteraka ny eny Mandroseza.

Etsy an-daniny, tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny mponina, indrindra ny eto Antananarivo, ka tsy mifanaraka amin’izany intsony ny fotodrafitrasa misy, izay natao ho an’olona miisa telo hetsy, araka ny nambaran’ny minisitra. « Vao tafakatra 1 tapitrisa ny isan’ny mponina dia efa tokony nisy ny fanamboarana, mba hitsinjovana ny fiakaran’ny isan’ny mponina ho 3 tapitrisa », hoy izy. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny Fanjakana, noho izany, ny hanamboatra ny tambajotra fitsinjarana ny ranon’Antananarivo ho lasa sahaza ho an’olona 5 tapitrisa.

Fitadiavam-bahaolana maharitra

Mba hahafantaran’ny besinimaro ireo hodidina rehetra momba ny rano eto Madagasikara, sy ho fiarahan’ny mpisehatra rehetra mitady vahaolana mba hitantanana maharitra ny rano, no isan’ny antom-pisian’ny herinandro nasiônaly ho an’ny rano, izay hotanterahina eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny 16 hatramin’ny 18 aprily 2025 izao. Hetsika maro no hotontosaina mandritra ireo andro ireo, toy ny trano heva hampirantiana ireo asa, ireo tolotra sy ireo vokatra mifandraika amin’ny rano, fanadiovana sy fidiovana. Hisy adihevitra maro, iarahana amin’ny manam-pahaizana, teknisianina, mpiara-miombona antoka sy mpisehatra momba ny rano ihany koa, izay mitodika mankany amin’ny fitadiavam-bahaolana maharitra momba ny famatsiana rano eto amintsika. Lohahevitra voizina ny hoe : « Omentsika lanja ny tahirin-drano mba ho antoky ny fampandrosoana maharitra ».

Lire la suite

Articles Similaires