Fanomanana ny COI : Andro tsy fiasana ny alarobia 23 aprily 2025
Andro tsy fiasana fa andraisan-karama ny alarobia 23 aprily 2025, andro mialoha ny "Sommet COI" eto Antananarivo.
Herinandro sisa no isaina dia higadona ny andiany faha-dimy amin'ny Fihaonam-be an-tampon'ireo Filoham-pirenena sy Governemanta eo anivon'ny Komision'ny Ranomasimbe Indiana i Madagasikara.
Fanapahan-kevitra niraisana
Nisy ny fivoriana niarahan'ny Ministeran'ny Asa sy ireo fikambanan'ny mpitantana orinasa, androany 15 aprily. Tapaka tamin'izany fa andro tsy fiasana fa andraisan-karama ny alarobia 23 aprily 2025. Ho an'ireo voatery miasa amin'io andro io, dia ny 24 aprily hatramin'ny 10 may no fangalana ny "récupération".
Natao izany mba hanamorana ny fandaminana amin'ny fandraisana ireo vahiny, izay heverina ho maherin'ny 1 000 isa. Tsara ny mampahatsiahy fa firenena 5 no Mandray anjara amin'ny "Sommet COI 2025" dia i Madagasikara, Comores, Seychelles, La Réunion ( France) sy Maurice.
Fetin'ny Paska
Maromaro ireo mpiasa maka "congé" ho an'ny talata 22 aprily ho avy izao. Misitraka fetin'ny paska tena lava ireo afaka manao izany, satria ny alakamisy 25 aprily indray vao miverina miasa.