• Cours de change
  • 5046.36 AR
  • |
  • $4448.45 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Fivezivezena mandritra ny Sommet COI : Hisy fiovana ny toerana fandraisana ireo fiara fitateram-bahoaka

15/04/2025 16:45 © Moov

Mila miomana sahady amin’ny mety ho fikorontanan’ny fivezivezena eto Antananarivo mandritra ny fihaonana an-tampon’ny firenena ato anatin’ny ranomasimbe Indianina (COI). Efa fantatra mantsy fa tsy maintsy hisy ny fiovana ary nanamafy izany indrindra ny Minisitry ny fitaterana. Hisy ny fandaminana manokana mikasika ny fiara fitateram-bahoaka, hoy ny tenany.

Tsy hisy ny fiatoan’ny fiara fitateram-bahoaka

Isan’ny mampanahy ny mponin’Antananarivo ny mety ho fiatoan’ny fiara fitaterana mandritra io andron’ny COI, ny 24 avrily io. Nanome toky ny Minisitra nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa hiasa hatrany ireo fiara mpitatitra ireo. Etsy ankilany ksoa anefa dia hisy ny fiovana sasany manaraka izany. « Tsy maintsy hisy ny fepetra ho raisina hialana amin’ny mety ho fanelingelenana. Hisy ny fivilian-dalana samihafa hapetraka, izay hatao amin’ny ora izay mampety azy. Ezahina tsy hanelingelina ny mpampiasa lalana rehetra nefa izany », hoy ny Minisitra, Ramonjavelo Valery. Araka izany, hisy fiovana ihany koa ny toerana handraisana ireny fitateram-bahoaka ireny, mandritra izay ora ho apetraka izay. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mandritra izany.
Raha ny fanazavana hatrany dia noho ny tsy maintsy handalovan’ireo delegasiona isan-karazany amin’ireo lalana no mahatonga ireo fiovana ireo. Marihina fa filoham-pirenena sy tompon'andraiki-panjakana ambony avy amina firenena 4 no ho avy eto ; ary tsy maintsy hanaraka azy ireo amin’izany ireo delegasiona miaraka amin’izy ireo. Tsy ambakan’izany ny delegasiona malagasy. « Tsy maintsy raisina izay fanapahan-kevitra izay ho amin’io andro iray io mba hisian’ny filaminana », hoy hatrany ny fanazavana. Ao anatin’izany avokoa na ny filaminan’ny fivezivezena na ny fiarovana ny ain’ireo olom-panjakana ireo.

Hamafisina ny fandriam-pahalemana

Manoloana izany dia hanamafy ny fiarovana ihany koa ny avy ao amin’ny Foloalindahy. Ahitana ny fiaraha-miasan’ny Zandary, Polisy nasionaly ary ny tafika io fotoana io. Hotandrovina mandritra izany ny filaminana mandritra ny hetsika, ny filaminana eny amin’ny lalana ary ny fitandremana tsy hisian’ny fihetsiketsehana samihafa.

Lire la suite

Articles Similaires