Fahavitan-tena ara-tsakafo : Hametrahana ozinina mpamokatra zezika 20 000 taonina isan-taona ao Andapa
Nitohy tany amin'ny distrikan’Andapa ny fidinana ifotony nataon’ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo, tao amin’ny faritra Sava. Nandritra izany no nifantohana tamin’ny ezaka ho fanatrarana ny tanjona. Nijery ny toerana hametrahana ny ozinina mpamokatra zezika 20 000 taonina isan-taona any an-toerana ny tenany.
Hanamorana ny vidin-jezika
Hampidinina ny vidin-jezika, toy ny « Urée » sy ny « NPK » izay tena ilain’ny mpamboly mba hahafahana mampihena ny vola mivoaka mandritra ny fambolena. Izany indrindra no ilaina ity ozinina ity. Araka ny vina napetraka dia entina hanampiana ireo tantsaha izany ary zezika 20.000 taonina isan-taona no ezahina hovokarina araka ny tanjona napetraka ao amin'ny distrikan'Andapa.
Efa misy ny toerana hananganana izany ary ho avaozina sy hajariana tanteraka ny fotodrafitrasa, izay natokana ho amin'izany mba ho lasa maoderina sy hamaly ny filan’ny tantsaha. Toerana efa voafidy io hametrahana azy io ary manaraka ireo fenitra ara-tekinika sy ireo fepetra ara-tontolo iainana ilaina amin’izany asa izany. Ankoatra izany dia nijery ny toho-drano izay hahafahana manodina herinaratra entina hanodinana ny ozinina ihany koa ny delegasiona.
Andapa : toerana mamokatra
Manana velaran-tany lehibe azo trandrahina ary hampiroboroboana ny fambolena ny ao Andapa ka izay no hametrahana ny orinasa hanakaiky ny mpamokatra any an-toerana. Ny vary sy ny lavanila no tena mampiavaka azy saingy maro ihany koa ireo mamboly legioma. Nanamafy araka izany ity Sekreteram-panjakana ity fa ezaka hampiroboroboana ireo sehatra ireo no ho tanterahina. « Manana lemaka midadasika i Andapa, ka noho izay soa fanararaotra izay dia hapetraka ireo singa sy fepetra rehetra hanatsarana ny taham-bokatra. Amin'ny alalan’ny fampiasana ny masomboly tsara kalitao, ny famahana ny olan'ireo tantsaha amin'ny famokarana zezika ary ny fanatsarana ireo toha-drano sy lakan-drano entina manondraka ireo tanimbary ka hahafan'izy ireo mamokatra indroa ao anatin'ny taona iray », hoy ny tenany, nanazava.
Ankoatra ny famokarana zezika dia nojerena ihany koa ireo toerana na tanimbary entina hametrahana ny vala fampisehoana ireo haitao ara-tekinika amin'ny famokarana masomboly sy vala fampiharana ny voly vary safiotra.