• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Tony Raz
Image
Vaovao

Vaovao Antananarivo : Simba ny ankamaroan'ny lalana eto an-drenivohitra !

15/01/2023 16:11 © Moov.Mg

Antsakaviro, Route circulaire Bel'air, Ankadifotsy, Ambanidia, Ankazotokana, Ambohijatovo, Analakely, 67ha, Tsimbazaza, Manakambahiny, ... Maro ireo toerana lasa "point noir" eto an-drenivohitra noho ny fahasimban'ny lalana. Izany no vaovao Antananarivo mampalahelo. Miteraka fitohanan'ny fifamoivozana izany, ary indrindra manimba ireo fitaovam-pitanterana ampiasain'ny olon-tsotra sy ny besinimaro.

Mila fanamboarana vonjimaika

Amin'izao fotoanan'ny orana izao, mitombo andro aman'alina ireo lalana simba. Mitaraina araka izany ireo mpampiasa lalana, na ireo olon-tsotra na ireo mpitatitra. Mitombo ny ora lany eny an-dalana, tsy lazaina intsony ny fahasimban'ny fiara na moto entina mifamezivezy. Rehefa latsaka moa ny orana dia tsy vitsy ireo fiara maty an-dalana. Tsy tazana mantsy ny halalin'ny lavaka nefa voatery mirobo-drano ireo mpitondra fiara na koriarandroa. Mivilivily tahaka ny mamo ireo mpamily mba ialana lavaka araka izay azo atao.
Manaitra ny sain'ireo tompon'andraikitra ny mponina eto Antananarivo mba hanatanteraka asa vonjimaika. Mbola misy volana vitsivitsy tokoa mantsy vao tapitra ny fahavaratra.

Asa tsara kalitao

Maro no mahatsikaritra fa mora potika ireo arabe vao vita tato ho ato. Asa lahy raha noho ny fitsitsiana be loatra. Antenain'ny mponin'Antananarivo ny akora voafantina maharitra mba hahatsara ny kalitaon'ny lalana. Raha tanteraka mantsy izany dia haharitra an-taonany maro ny "goudron" eny amin'ny arabe.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo