• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Météo_Madagasikara
Image
Vaovao

Andro ratsy : Miha-manakaiky ny fari-dranomasin’ny Nosy ireo tangoron-drahona roa

15/01/2023 18:30 © Midi Madagasikara

Miha-manakaiky ny fari-dranomason’ny Nosy ireo tangoron-drahona roa (Zone de Convergence Inter-Tropicale) izay mitoetra ao amin’ny ranomasimbe Indiana, araky ny tatitry ny Famantarana ny toe-trandro anio.

Any amin’ny ilany Atsinanan’ny fari-dranomasina no mitoetra ny tangoron-drahona voalohany ankehitriny. Ny faharoa kosa dia hita any amin’ny 1349 km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Vohémar. Noho ny tsy fahampian’ny hamandoana sy ny fitsokan’ny rivotra mafy any ambony tsy taka-maso dia mbola misedra fahasahiranana ireo tangoro-ndrahona ireo, na dia efa manomboka misy aza ny fihodinan’ny rivotra manodidina azy ireo.

Fivoarana

Tombanana hianalefaka hatrany ny herin’ilay tangoron-drahona voalohany izay mitoetra any amin’ny Atsinanan’ny fari-dranomasina. Hisy fihatsarany kosa ny tontolo hivelaran’ilay tangoron-drahona faharoa hita ao amin’ny Avaratra Atsinanan’I Vohemar ary hikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana ny làlany. Izany fiovana rehetra izany dia mety hiteraka hambana ho an’ny morontsiraka Avaratra, Avaratra Atsinanana sy Afovoany Atsinanan’ny Nosy manomboka ny Alarobia 18 janoary ho avy izao.
Mbola vinavina ankapobeny avokoa anefa izany satria mbola tsy ampy ny antotan-kevitra ahafahana milaza vina mazava. Araka izany, entanina ireo mponina any amin’ireo faritra voalaza ireo mba ho malina sahady sy hanaraka tsy tapaka ny vaovaon’ny toetry ny andro.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo