• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Lalana simba eto Madagasikara : Efa manana planina maty paika ny ministeran'ny asa vaventy

16/01/2023 19:49 © Moov.Mg

Manoloana ny fahapotehan'ny lalam-pirenena maro eto Madagasikara, namoaka ny fandaharan'asany ny ministeran'ny asa vaventy.

Ireto fanamboarana manaraka ireto dia tanterahina amin'ny alalan'ny famatsiambola mikasika ny tetikasa PDDR " Projet de Développement Durable des Routes" sy ny CERC "Composante d'Intervention d'Urgence et de Contingence" izay vatsian'ny Banky iraisam-pirenana vola.

▪︎RN 4: Antananarivo # Mahajanga, manomboka amin'ity herinandro ity ny asa fanarenana sy fanamboarana ireo "points noirs".

▪︎RN 7: Antananarivo # Toliara, manomboka amin'ity herinandro ity ny asa fanamboaran-dalana sy ny fanamboarana ny tetezana ao Manombo (Ilakaka).

▪︎RN 6: Ambondromamy # Ambanja, efa manomboka ny asa fanamboarana ireo "points noirs" ny orinasa ISO Construction.

▪︎ RN 34: Antsirabe # Malaimbandy, efa any an-toerana ny orinasa hanao ny asa izay hatomboka amin'ny herinandro ambony.
Tetazana ao Ankilizato, efa natomboka androany ny asa vonjimaika, hisy kosa ny fanamboarana an'io tetezana amin'ity taona ity.

▪︎ RN 12 : Irondro # Vangaindrano sy RNT 24; efa any an-toerana ny orinasa hanao ny asa fanamboarana ireo lalam-pirenena ireo.

▪︎RN 2: Antananarivo # Toamasina, eo am-pamerenana ny tolobidy ny Minisitera ankehitriny, hanomboka amin'ny 15 Febroary 2023 izao ny asa fanamboarana sy fanarenana raha vao fantatra ny orinasa voafantina hanatanteraka ny asa.

▪︎ RN 1bis: Tsiroamandidy # Maintirano, misy ny asa fanamboarana ireo 'points noirs" izay hotanterahina amin'ny alalan'ny RPI "Ressources Propres Interne" ny Fanjakana Malagasy. Misy ihany koa ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny Banky iraisam-pirenana amin'ny fanamboarana ny RN 1bis.

▪︎ Fly over: eo am-pamaranana ny APD "Avant Projet Détaillé" ny minisitera ankehitriny, raha ny vina dia hatomboka amin'ny volana aprily na May 2023 ny asa fanamboarana.

▪︎Autoroute: Mandroso ny asa tanterahin'ny orinasa "SAMCRETE", ary tsy mbola nisy ny fandoavam-bola nataon'ny Fanjakana Malagasy tamin'ny orinasa egyptianina satria mbola maro ireo antontan-taratasy sy ny fandrosoan'ny asa (taux d'avancement) izay mbola handrasana vao afaka mandoa ny "avance de démarrage" ho an'ny orinasa.

Ny Minisiteran'ny Asa Vaventy dia manentana antsika mpampiasa lalana rehetra hanaraka ireo fandaminana sy hanaja ireo toromarika izay hapetraka mandritra ireo asa fanamboaran-dalana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo