• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Betafo : Mpanakan-dalana telo lahy niharan’ny fitsaram-bahoaka

17/01/2023 09:29 © Midi Madagasikara

Efa teny am-pelatanan’ny fokonolona ary efa saika maty raha tsy tonga haingana ireo zandary.

Nitrangana fanakanan-dalana teo Antamponandrindra, tao amin’ny kaominina Mahaiza ny faran’ny herinandro teo. Vehivavy iray avy nivarotra no lasibatry ny jiolahy telo lahy nanao saron-tava. . Voaroba teny am-pelatanan’ity vehivavy ity ny entana kely teny aminy, araka ny fampitam-baovao azo. Vao avy nahavita ny asa ratsiny moa ireto farany dia nitsoaka toy ny tsy teo.

Niantso vonjy avy hatrany tamin’ireo fokonolona manodidina moa ilay lasibatra. Ary raha vao naheno izany ireo avy ao Mahaiza sy Mahamasina, kaominina Betafo dia niara-nirohotra nikaroka ireto mpanakan-dalana ireto. Mazava ho azy fa efa voavolavolan’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana izy ireo ka tsy ela dia voasambotr’izy ireo, ireo telo lahy. Mbola tratra teny amin’izy ireo moa ny saron-tava nanaovany niaraka tamin’ny fanafody gasy maromaro. Mbola hita teny aminy ihany koa ireo entana nangalarin’izy ireo, toy ny « biscuits », menaka « baume », ary fanafodin’omby. Teo anatrehan’ny zava-nisy sy noho ny hafanam-po niharo hatezerana tamin’ireto vahoaka dia efa tsy tana fa efa niharan’ny daroka sy vono ry zalahy. Tetsy andanin’izay moa, efa nampandrenesina rahateo ireo zandary, ka tsy tonga ara-potoana izy ireo dia efa vatana mangatsiakan’ireto mpanakan-dalana sisa novantanina.

Soa ihany araka izany ! Nanao ny fanelanelanana ireto farany ary nanazava tamin’ireto mpisambotra fa tsy mety ary voararan’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka. Nilamina ihany ny toe-draharaha taorian’izay. Nentina nihazo ny birao kosa ireto olon-dratsy, ary nomena ny fitsaboana sahaza azy ireo, nandritry ny fitananana nanaovana andrimaso azy ireo. Aorian’izay dia hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo