• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Tanà : Lozam-pifamoivoizana roa, nitsoaka avokoa ny mpamily

17/01/2023 09:32 © Midi Madagasikara

Ny iray tetsy amin’ny lalam-baovao Rocade. Tsy nijanona ny fiara rehefa tsy mataho-dàlana miloko mainty nandona lehilahy iray izay naratra mafy.

Ny olona sendra nandalo tamin’ny fiara ka nahita no nijanona ary nitondra faran’izay haingana ny naratra teny amin’ny Hjra. Mba avotra ny ain’io olona io na dia nitondra faisana tamin’ilay lozam-pifampivoizana aza izy. Raha ny alin’ny alahady no nitranga izany, nanomboka omaly ihany dia efa nandeha ny fikarohana ny tompon’ny fiara satria nisy nahita ny mombamomba izany. Mpisolovava rahateo ilay olona nanavotra ary dia hainy ny pitsony amin’ny tokony hatao amin’ny hahitàna ny tompon’andraikitra izay nitsoaka andraikitra. Ny faharoa indray dia tetsy Avaradoha ary mbola iny alin’ny alahady lasa teo iny ihany koa no nitranga. Fiara mitondra ny marika Golf type 4 no nandona mpandeha kodiaran-droa. Rifatra nitsoaka ilay fiara raha nifatratra teo amin’ny tany ary naratra koa ny mpandeha moto. Mitovy ihany ny tranga, ny olona sendra nandalo no nahita ka nanavotra ny naratra. Mitady ho lasa fanaon’ny mpamily arak’izany ity mitsoaka andraikitra ity rehefa misy lozam-pifamoivoizana.

Toa tsy fantatr’izy ireo loatra angamba fa mivadika heloka ny lozam-pifamoivoizana rehefa izany no mitranga. Midika izany fa lasa enjehina araka ny lalàna famaizana ary mampigadra avy hatrany. Tsy ilay vesatra ara-pitsarana momba lozam-pifamoivoizana (raha voamarina fa tsy niniana) eo no mampigadra fa ilay fitsoahana andraikitra mahakasika izany. Etsy andanin’izany, mbola manamafy hatrany ny ilàna ny fanapariahana ny teknolojia mba hanaraha-maso ny làlana ny tranga toa izao. Raha mba nisy « caméra de surveillance » na dia vitsivitsy monja aza eny amin’ireny lalam-be sy lalam-baovao ireny dia inoana marina fa moramora kokoa ny fahitàna ny laharan’ny fiara izay hahafahana mamantatra ny momba ny tompony avy eo. Na dia eo amin’ny fanombohan’ny làlana sy ny fiafarany fotsiny no hasiana an’izany fitaovana izany dia efa manampy betsaka amin’ny fanadihadiana. Tsy vitan’izany aza fa mbola manampy koa izany amin’ny ady amin’ny jiolahy. Tsy maintsy hizotra amin’izany isika ary tokony hatomboka tsikelikely.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo