• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Société Municipale D'Assainissement
Image
Vaovao

Fiakaran’ny rano : Efa miroso amin’ny fiomanana ny eny amin’ny fokontan’ny Mahavoky Besarety

17/01/2023 17:22 © Moov.Mg

Efa manomboka ny fiomanana eny anivon'ireo faritra iva manoloana ny mety fiakaran'ny rano.

Tafiditra ao anantin’ireo faritra iva eto andrenivohitra ny fokontany Besarety. Ary isan-taona dia matetika dibo-drano iny faritra iny rehefa fotoanan’ny fahavaratra toa izao. Efa mivonona amin’ny mety hiakaran’ny rano sahady arak’izany ireo mponina sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fokontany amin’izao fotoana izao.
Fanadiovana
Miompana amin’ny fanadiovana ireo lakan-drano sy ny fanesorana ny fako amin’ny ankapobeny ny fiomanana ataon’ireo tompon’andraikitra sy ireo mponina. Misy araka izany ny fitetezana ireo làlankely isan’andro mba hitazomana ny toerana hadio hatrany. Ny fiangonan’ny fako tokoa dia mety hiteraka ny fahatsetseman’ireo lakan-drano rehefa tondraka ny rano. Izany indrindra no tsy maintsy hanesorina ireo fako isan’andro.
Na dia izany aza, manamafy ihany kosa ny lehiben’ny fokontanin’ny Mahavoky Besarety fa tsy mbola misy ny tena ahiana raha ny eny an-toerana manokana amin’izao fotoana izao. Na dia misy aza ny rotsak’orana, adiny roa eo ihany dia mitsika ny rano izay mety ho tafiditra any antrano, nohon’ny fisian’ireo lakan-drano. Noho izany, tsy mbola misy ny traboina aloha hatreto.
Nambarany ihany koa fa miara-miasa akaiky amin’ireo rantsa-mangaika eo anivon’ny fanjakana izy ireo rehefa misy ny fandraisana an-tànana ny traboina rehefa fotoan’ny rivo-doza toa izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo